- Publicité -
mardi, juillet 1, 2025
AccueilFaits-DiversFaran’ny taona-Toamasina : Manomana fety miavaka ny fikambanana Tamiagna

Faran’ny taona-Toamasina : Manomana fety miavaka ny fikambanana Tamiagna

Efa ela no niketrika ity fety miavaka; izay karakarain’ny fikambanana “Tamiagna” (ndlr: Varavarana) sy ny orinasa “Rasolo” eto Toamasina ity, ireo ekipa mpanomana izany; izay indrindra no nahatonga azy ireo nanome ny fanazavana rehetra amin’izany, ny sabotsy 15 desambra teo, tao amin’ny trano fisakafoana “Sigoule” nanazavan’izy ireo ny hetsika rehetra ho hitan’ny vahoakan’i Toamasina mandritra ilay hetsika antsoina hoe “Carnaval de Noel”. Mandritra ny efarana, dia ny 20 hatramin’ny 23 desambra izao no hanaovana izany hetsika izany, eo amin’ny araben’ny fahaleovan-tena sy ny tany malalaky ny lapan’ny tanànan’i Toamasina. Mandritra an’io efatr’andro io izay hifanohanan’ny fikambanana “Tamiagna” amin’ny fikambanana “The Way”, dia hisy ireo varotra fampirantiana, sy dihy, ary fanentanana samihafa amin’ny maha-fetin’ny krismasy sy taom-baovao azy. Hisy koa ny fanomezam-boninahitra ireo mpanao fanatanjahantena nitondra avo ny prefektioran’i Toamasina, sy ireo mpanao gazety nahafehy ny asany tao anatin’ny fanajana ny lalan’ny asa fanaovan-gazety; izay antsoin’izy ireo “Sangany 2018”. Nandritra izao fihaonana tamin’ny mpanao gazety izao anefa, dia tena nasiaka ny filohan’ny fikambanana “Tamiagna” Toamasina, Atoa Sabotsy Aimé José”, fa tsy misy idiran’ny politika amin’izao fihatrehana ny fifidianana fihodinana faharoan’ny filoham-pirenena izao ny hetsika sy fanaingona ny araben’ny fahaleovan-tena sy ny tany malalaky ny lapan’ny Tanana ataon’izy ireo; fa ho fanomezana endrika hafa ny fihatrehan’ny vahoakan’i Toamasina fety izay ho avy ihany. Nohamarinin’ity filohan’ny fikambanana ity hatrany, fa tena sosialy rano fotsiny ny hetsika fa tsy tokony hitsabahan’ny mpanao politika sy ny mpanohana azy velively, satria fetim-bahoaka no hatao fa tsy fety politika akory. Ankoatra izay, dia miara-miasa akaiky amin’ny mpitandro ny filaminana ny fikambanana amin’ny fametrahana ny filaminam-bahoaka amin’izao hetsika sy fety hatrehan’i Toamasina; izay ezahina hiavaka noho ireo fetin’ny krismasy sy ny taom-baovao hatramin’izay.

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici