- Publicité -
vendredi, juillet 4, 2025
AccueilFaits-DiversFaratsiho : Bevohoka kambana ilay zazavavy kely naolana mpiandry omby

Faratsiho : Bevohoka kambana ilay zazavavy kely naolana mpiandry omby

Tsy ampy taona fa vao 12 taona monja ity zazavavy kely niharana fanolanana tao amin’ny distrika Faratsiho ity. Fantatra fa tsy mipetra ao amin’ny ray aman-dreniny intsony izy fa mikarama manao mpanampy amina fianakaviana iray. Taitra ilay mpampiasa ity zaza raha nahita ny kibony mitombo andro aman’alina ary efa nihalehibe mihitsy taty aorina. Nihevitra ny mpampiasa fa mety aretina no  mahazo ilay zaza ka nitondra ity farany tany amin’ny mpitsabo. Akory anefa ny hatarainy raha nilazan’ny mpitsabo fa bevohoka ilay zazavavy kely, bevohoka efa dimy volana mihitsy. Rehefa nanao ny fizahana hatrany ny mpitsabo dia fantatra koa fa kambana ny zaza ao an-kibony. Taoarin’ny fanadihadiana natao tamin’ilay zaza no nahafantarana fa mpiandry omby no nanolona azy. Araky ny loharanom-baovao moa dia fanatra fa nikasa ny hanao raharaham-pianakaviana ny fianakavian’ilay mpiandry omby nanolana, ary nanaiky izay koa ny ray aman-drenin’ilay zaza. Tomponandraitra iray no nitsivalana ary nilaza fa tsy hanaiky velively izao mahazo ilay zaza izao fa hitondra ny raharaha eny amin’ny fitsarana. Nanizingizina mihitsy moa ity tomponandraikitra ity fa tsy hamela ny raharaha ho vita mora eny foana.

Andry N

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

2 Commentaires

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici