- Publicité -
jeudi, mai 15, 2025
AccueilFaits-DiversFaratsiho : Dahalo 20 lahy nanafika CSB1, Paramed iray naratra mafy

Faratsiho : Dahalo 20 lahy nanafika CSB1, Paramed iray naratra mafy

Mpiasan’ny fahasalamana (Paramed), lehiben’ny CSB1 ao Ambohitromby, distrikan’i Faratsiho no naiditra  etsy amin’ny hopitaly miaramila Soavinandriana, rehefa naratra mafy eo amin’ny lohany, vokatry fanafihan-dahalo, ny Alakamisy 30 Aogositra alina teo. Dahalo 20 lahy eo ho eo no tonga nanafika azy mianakavy tao an-tranony ; izay mifanila amin’io tobim-pahasalamana iasany io ihany tamin’ny 11 ora alina. Niezaka mba niaro ny fananany ihany ilay raim-pianakaviana, saingy tsy afa-nanoatra rehefa nokapain’ireto jiolahy famaky ny lohany. Vokany, ankoatra ny vola, noraofin’ireo olon-dratsy avokoa ny entana lafo vidy tao an-tranony, toy ny fahitalavitra, finday. Torak’izany koa ny fitaovana sy ny volan’ny hôpitaly izay tokony hanaovana lava-drano sy trano fidiovana ho an’ity CSB1 ity. Araka ny fanazavana, mety io volan’ny hôpitaly io no tena nokendren’ireto jiolahy ireto, satria mety ho mahalala ny fisian’io ireto farany.

Mila fanampiana.  Noho ny hamafin’ny ratra nahazo azy, dia tsy maintsy nalefa hotsaboina aty Antananarivo ity mpiasan’ny fahasalama ity. Mbola ao amin’ny famelomanaina eny amin’ny hopitaly miaramila na HOMI CENSOA eny Soavinandriana izy hatramin’izao. Tsy maintsy nodidina mantsy ny tenany. Misedra olana anefa izy miankavy amin’izao fotoana izao, satria tsy ampy intsony ny vola eo am-pelan-tanana. Tsy manana hosarangotina intsony ny vady aman-janany mba hiatrehana ny fitsaboana ity raim-pianakaviana ity. Ny zanany mbola kely, ny vadiny anefa mitondra vohoka. Milaza ho tsy manan-kavana eto An-drenivohitra koa izy. Noho izany, mangataka fanampiana amin’ireo izay malala-tanana ity fianakaviana ity. Koa raha misy ny terem-panahy hanao izany, dia iangaviana mba hiantso ny laharana: 034 91 708 13.

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici