- Publicité -
vendredi, juillet 4, 2025
AccueilFaits-DiversFaratsiho : Dahalo fito lahy sarona, tafaverina amin'ny tompony ny omby

Faratsiho : Dahalo fito lahy sarona, tafaverina amin’ny tompony ny omby

Nitrangana fanafihan-dahalo mitam-piadiana  tao amin’ny kaominina Vinaninony Faratsiho ny faran’ny volana lasa teo. Omby telo no lasan’ny dahalo tamin’izany,  noho ny firaisan-kinan’ny fokonolona sy ny ezaky ny zandary  anefa dia taverina avokoa ireo omby ireo.

Ny alin’ny sabotsy 29 jolay hifoha ny alahady tokony ho tamin’ny 10 ora alina no nisehoan’ny fanafihana tao amin’ny fokontany Telomirefy Soamihadana, tanàna somary mihataka ny renivohitry ny kaominina. Ny alika nivovo tao an-tokotany no nanaitra ny tompon-trano . Nivoaka ity farany ary akory ny hatairany nahita ireo jioalahy efa  miatrana eo am-balan’omby no sady  nanapoaka basy  nentina nampitahorana ny mpiray tanàna. Tsy nisy sahy nivoaka ny olona fa samy namitsaka tao an-tranony, ilay tompon’omby kosa niezaka niafina sy nanara-maso ireo dahalo tao anaty haizina.  Velona ny antso lava rehefa dila ireo dahalo, vetivety dia vory maro ny fokonolona ary  nanao ny fanarahan-dia avy hatrany, nanaraka avy aty aoriana kosa  ny zandary avy amin’ny zana-tobim-paritra Faravohitra taorian’ny antso. Teny an-dalana ihany dia tafaverina ny omby iray. Nitohy ny fikarohana ka tratra tao amin’ny fokontany Alakamisy ny omby roa. Nisy nitonona ho tompon’omby anefa tao amin’io fokontany io ary nilaza fa manana taratasin’omby. Nataon’ny zandary ny vela-pandrika ka ny andron’io ihany dia sarona tao Ambohibary ny dahalo 7 lahy. Fantatra araka ny loharanom-baovao any an-toerana fa nahitana basy vita gasy roa  » calibre 12″ niaraka tamin’ny bala sy lefona  ireo dahalo ireo nandritra ny fisavana ny trano fonenany.

Araka ny loharanom-baovao any an-toerana dia fomban’ireo dahalo no mody miady varotra ny omby rehefa tsena saingy efa mijirika ny omby izy amin’io fotoana io. Aorian’izay no manafika ny tanàna ireo dahalo. Tsetsatsetsa tsy aritra kosa no hilazana fa hatramin’ny nisian’ny pejy  tambajotran’ny mpitandro filaminana eto Antsirabe dia mahatsiaro tena ho lasa anjorom-bala ny mpanao gazety eto an-toerana fa mionona amin’ny fanaparitahana ny vaovao amin’ny alalan’ny « facebook » ny mpitandro filaminana.

Andry N.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici