Toa ireny mpanjifa mahazatra ireny izy dimy lahy ireto tamin’izy ireo niditra tamin’ity “epi-bar” ity. Kanjo tsitapitapitr’izay dia nivadika biby. Voarahona tamin’ny fitaovam-piadiana ilay vehivavy mpivarotra.
Tranga izay niseho tany amin’iny distrikan’i Faratsiho iny ny faran’ny herinandro lasa teo. Toeram-pivarotana iray, tao amin’ny fokontany Telonorefy, kaominina Vinaninony Atsimo, no lasibatry ny fanafihana mitam-piadiana. Soa ihany anefa fa tsy nisy ny aina nafoy na ireo naratra, na dia saika lasan’ireo olon-dratsy avokoa aza ny vola sy ny entana sarobidy rehetra. Araka ny fampitam-baovao avy amin’ny zandarimariam-pirenena dia tokony ho tamin’ny enina ora sy sasany hariva tany ho any no nitranga ity fanafihana ity. Ora izay anisan’ny mbola mahabetsaka ireo mpanjifa tokoa. Tonga toy ireny mpanjifa hividy entana sy mba hisotrosotro tao amin’ity toerana ity ireto dimy lahy. Nony hitan’izy ireo anefa fa vehivavy iray monja no niandraikitra tery amin’ny fandoavam-bola, nasehoan’izy ireo amin’izay ny maha-jiolahy azy ireo. Zava-maranitra sy basy no nentin’izy ireo nampitahorana ity tompon-tsena ity. Nentin-tahotra tokoa ity farany ka namoaka izay rehetra notadiavin’izy rehetra. Raha ny fantatra hatrany dia lasan’izy ireo avy hatrany ny vola matin’ity fivarotana ity, izay mitentina teo amin’ny efatra tapitrisa ariary teo. Tsy vitan’izay anefa fa mbola notakian’izy ireo ihany koa izay zavatra sarobidy rehetra tao : fivaraka volamena, vakana sy peratra. Rehefa azon’izy ireo ny zavatra nilaina dia nitsoaka toy ny teo izy ireo. Nentina nampitahorana ireo fokonolona izay nikasa ny hanara-dia sy hisambotra moa dia nanapoaka basy nanao tifi-danitra izy ireo. Raha ny fantatra dia toerana somary saro-dalana ity toerana ity, hany ka minitra maromaro taty aorian’ny fanafihana vao tonga teo an-tanana ireo zandary avy ao amin’ny zana-tobi-paritry Faravohitra. Ireto farany rahateo no miandraikitra ny fanadihadiana sy ny fikarohana ireto mpanafika.
m.L