- Publicité -
jeudi, juillet 3, 2025
AccueilFaits-DiversFaratsiho : Jiolahy rain-dahiny enina voasambotra

Faratsiho : Jiolahy rain-dahiny enina voasambotra

Nahitàm-bokany ny hetsika nataon’ireo mpitandro filaminana, izay niarahan’ny pôlisy sy ny zandary ary miaramila tany amin’iny faritra Faratsiho iny, hiadiana amin’ny asan-jiolahy izay niha-nahazo vahana tato ho ato izay. Vokatr’izay, jiolahy rain-dahiny miisa enina no voasambotra, tao amin’ny kaominina ambanivohitra Ramanaindro, ny herinandro lasa teo. Tamin’ny famotorana nataon’ny pôlisy dia fantatra fa isan’ireo jiolahy nandray anjara tamin’ireo fanafihana niseho lany tany amin’ity kaominina ity izy ireto. Tao anatin’izany ny fanafihana tokantrano maromaro tany an-toerana, volana vitsivitsy lasa izay. Fa tao anatin’izany ihany koa ny fandrobana ny birao’ny kaominina tany an-toerana sy ny biraon’ny delegem-panjakana tany an-toerana ka nahamontsamontsana ny “coffre-fort” tao amin’izany biraom-panjakana izany. Izy ireo ihany koa no fantatra fa tompon’antoka tamin’ny fanafihana mpandraharaha iray tany an-toerana, herinandro monja taorian’iretsy voalohany iretsy, ka nahaverezana vola mitentina efatra tapitrisa ariary sy entana sarobidy maromaro. Araka ny fanazavana azo hatrany, dia tamin’ny alalan’ny angom-baovao sy velam-pandrika no nahafahana nisambotra ireto farany. Izy ireo, izay efa fantatry ny mponina any amin’iny faritra iny mantsy, saingy noho ny tahotra dia tsy misy sahy milaza amin’ny mpitandro filaminana ny olona. Marihana fa manao andiany eo amin’ny 20 lahy eo ireto jiolahy mitam-basy ireto rehefa manafika tanana.  Amin’izao fotoana izao dia eo am-pikarohana ny naman’ireto olon-dratsy ireto ireo mpanao fanadihadiana.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici