Habibiana tsy roa aman-tany no nitranga tany amin’iny faritra Faratsiho iny ny zoma lasa teo. Mpirahavavy kely, 12 taona sy 10 taona no hita faty tanaty kirihatra, tsy lavitra ny tananan’Andranonahoatra, ao amin’ny fokontany Ambarinomby, kaominina Miandrarivo. Tsy vitan’ny hoe novonoina tamin’ny fomba feno habibiana izy ireto fa mbola naolana ihany koa ilay zokiny. Mpiandry omby telolahy no avy hatrany dia noahiahiana ho nahavita izany heloka bevava izany, ary saika niharan’ny fitsaram-bahoaka.
Raha ny zava-nitranga mantsy tamin’io andro io dia nampilaza avy hatrany ireo fokonolona teo akaiky teo ny telolahy mpiandry omby fa hoe misy fatin’olona, ankizivavy roa tao anatin’ilay kirihatra. Somary hafahafa ny fihetsik’izy telolahy ireto, ka ny sasany tamin’ireo olona no nijery izay zavatra nolazain’izy ireo ary ny hafa niambina azy ireo hatrany. Ontsa avy hatrany kosa izay nahita ilay zava-doza : ny vatana mangatsiakan’izy roa vavy kely mitsirara ao amin’ny tany. Ilay zandriny, nahohoka tao anaty rano, ary tsy navelan’ireo tsy valahara raha tsy maty. Ilay zokiny kosa, miboridana tanteraka ny tapany ambany, rehefa avy naolan’ireo tsy mahatody dia nokendainy. Tsy vitan’izay anefa fa mbola novelesina ihany koa ny lohany, hahatapitra tanteraka ny ainy. Fantatra fa mponina eo amin’ilay tanana ihany izy roa vavy kely ireto, ary tamin’io fotoana io dia nirahiana handeha haka kitay izy ireo. Niantefa avy hatrany tany amin’ireto telolahy ny ahiahian’ireo fokonolona efa niakatra hatezerana teo anoloan’izao tranga izao. Tamin’io fotoana io anefa no tonga ny zandary, nitondra ireto olona voarohirohy ho tao ambadik’ity heloka bevava ity, sy nanala azy ireo teo ambany vahoan’ireto fokonolona efa romotra tanteraka. Notazomina nanavaona fanadihadiana tany amin’ny biraon’ny zandary ireto mpiandry omby ireto. Ary niaiky tokoa fa izy ireo no nahavita nanolana sy namono ireto tovovavy kely ireto. Raha tsy misy ny fiovàna dia anio no hatolotra ny Fampanoavana ao Antsirabe izy telolahy.
m.L / Andry N.