- Publicité -
mercredi, juillet 9, 2025
AccueilFaits-DiversFaratsiho : Mpitondra môtô voasakan-dalana, maty voatifitry ny jiolahy

Faratsiho : Mpitondra môtô voasakan-dalana, maty voatifitry ny jiolahy

Tsy nisy afa tsy vola kely, aman’arivony no lasan’ireo olon-dratsy kanefa dia aina iray no nafoy vokatry ny fanakanan-dalana tao Faratsiho ny zoma lasa teo.

Raha ny zava-nitranga tamin’io fotoana io, araka ny angom-baovao azo dia an-dalana hamonjy tsena ireto mpivady, izay nandeha môtô. Nony tonga teo amina toerana iray somary mangingina anefa, no nisy andian’olona nahatratra teo amin’ny dimy teo nanakana ny lalan’izy ireo. Mazava ho azy, nihevitra ireto farany fa olona handeha hamonjy tsena ihany koa kanjo namoaka basy ny iray tamin’ireo andian’olona ka nitifitra avy hatrany. Voa teo amin’ny faritry ny lohany ilay lehilahy ka nipitika. Nianjera niaraka tamin’izay ihany koa ny môtô nentiny, nisy ny vadiny tao aoriana. Vantany vao tafajanona moa izy ireo dia norobain’ireo olon-dratsy ny vola sy ny zavatra azo nalaina tany aminy. Ary nitsoaka ireto farany rehefa azony izay nilainy, namela ireo naratra teo. Fotoana elaela taty aoriana vao nisy nahita ny fahavoazana nihatra tamin’ireto mpivady ireto ary teo vao niezaka niantso vonjy. Ilay raim-pianakaviana voatifitra moa, raha ny vaovao voaray no tsy avotra intsony noho ny ratra nahazo azy. Fantatra fa efa eny am-pelan-tanan’ny mpitandro filaminana amin’izao ny raharaha ary efa manomboka ny fikarohana ireo nahavanon-doza. Marihana fa toa hoe.

Raha somary nangingina tokoa ity resaka fanakanan-dalana eny amin’ny lalam-pirenena ity tao ho ao dia toa lasa niverina indray izany. Ankoatra io tany Faratsiho io mantsy dia fantatra ihany koa nisy taxi-brousse iray niharan’ny fanafihan-jiolahy tamin’iny lalan’i Miandrivazo iny, ny alin’ny alahady hifoha alatsinainy lasa teo. Tifitra variraka no nihatra tamin’ilay fiara. Soa ihany anefa, raha ny angom-baovao azo fa afaka tamin’izany fanakanan-dalana izany ity farany niaraka tamin’ireo mpandeha tao anatiny, izay tsy nisy naninona ihany koa. Ny fitaratry ny fiara no potika tanteraka rotiky ny bala niaraka tamin’ny vatany. Efa mandeha ihany koa ny fanadihadiana mahakasika izany.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici