- Publicité -
dimanche, juillet 13, 2025
AccueilFaits-DiversFaratsiho : Notafihan’ny dahalo ny fiara nitondra ny laza adina « baccalauréat...

Faratsiho : Notafihan’ny dahalo ny fiara nitondra ny laza adina « baccalauréat »

Ankoatr’ilay tany Antsalova, izay nanafihan’ny dahalo ireo olona nitondra ny vokatry ny fanadinana Bepc,  fantatra indray fa notafihan’olon-tsy fantatra nitondra fitaovam-piadiana ihany koa ny fiaran’ny Fari-piadidiam-pampianarana tany Faratsiho, nitondra ireo laza adina amin’ny fanadinana  « Bacc » ny sabotsy lasa teo.

Manomboka anio tokoa no hiatrika ny fanadim-panjakana bakalorea ireo tanora eo amin’ny kilasy famaranana. Saika nisedra olana goavana anefa ireo mpiadina tany amin’iny fari-piadidiam-pampianarana Faratsiho iny raha tsy teo ny herim-pon’ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny fa indrindra ny an’ireo zandary nanaraka ny fiara nitondra ireo laza adina. Raha iny handeha hindrana ny lalam-pirenena faha-43 (mampitohy an’i Ambohibary Sambaina, Faratsiho, Analavory) iny mantsy ny fiaran’ny Cisco, nitondra ireto laza adina dia nosakan’ny andian-dahalo teo amin’ny tanana antsoina hoe Antsampandrano, ny sabotsy tokony ho tamin’ny valo ora alina teo ho eo. Vatobe maromaro no nisakana ny lalana tamin’io fotoana io. Ka raha vantany vao nijanona ity fiara ity, avy hatrany dia tora-bato tsy an-kijanona no nifatratra teny aminy sy ireo mpitondra azy. Niditra an-tsehatra avy hatrany teo ireo zandary nanaraka ity fiara ity ary tsy nisalasala ihany koa nampiasa ireo fitaovam-piadiana teny amin’izy ireo. Vokany nisy iray tamin’ireo olon-dratsy no voan’ny bala ary maty teo ho no eo. Nahita izany iretsy namany dia nanao tari-dositra nitsoaka. Marihana fa nisy olona iray tao anaty fiara no naratra vokatry ny vakim-pitaratra tamin’ilay tora-bato. Tsy nisy naninona kosa ary tonga ihany tamin’ny ivon-toeram-panadinana ireo laza adina. Tsy nisy zavatra lasan’ireo olon-dratsy ihany ankoatr’izay. Niantso vonjy avy hatrany moa ireto farany ary tonga nanampy ireto mpitondra laza adina ireto sy niaro azy ny zandary fanampiny avy ao amin’ny PA Ambohibary. Efa nisokatra ny fanadihadiana sy ny fikarohana ireto mpanao ratsy ireto.

Porofo izao, fa sarobidy lavitra noho ny volamena ny fianarana. Na ny dahalo aza mitsiriritra ary sahy manafika mihitsy, handrobana ny voka-panadinana na laza adina …

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici