- Publicité -
mercredi, juillet 2, 2025
AccueilFaits-DiversFaratsiho : Telolahy avy nanafika, maty novonoin’ny fokonolona

Faratsiho : Telolahy avy nanafika, maty novonoin’ny fokonolona

Fitsaram-bahoaka iray hafa koa ! Jiolahy telolahy izay vao avy nanafika mpanangom-bokatra tany amin’iny faritra Faratsiho iny no matin’ny fokonolona, rehefa avy nandratra sy nahatifitra olona roa. Omaly tokony ho tamin’ny enina ora sy sasany maraina tany ho any no nisehoan’ity tranga ity tao amin’ny fokontany Lohavohitra, ao amin’ny kaominina Miandrarivo, distrika Faratsiho. Tamin’io fotoana io, mpanangom-bokatra iray nipetrapetraka teo amin’ny sisin-dalana, fa andro tsena rahateo omaly, no lasibatry ny fanafihana. Dimy ireo olon-dratsy, izay nirongo basy vita gasy ny roa ary zava-maranitra ny telo. Nandrahoana ity mpanangom-bokatra ity avy hatrany izy ireo hanome ny vola tany aminy, ka rehefa tsy nanaiky ity voatafika dia notifirin’izy ireo, ary voa teo amin’ny tarehiny. Naratra mafy ity farany. Lasan’ireo jiolahy tamin’izany ny vola izay mitentina eo amin’ny efatra tapitrisa ariary teo ho eo. Tamin’ny fitsoahan’ireto andian-jiolahy ireto no nisy nahatsikaritra ka raikitra teo ny fifanenjahana. Nisy iray tamin’ireo nahita no nibahana ny lalan’ireo malaso ireto ary avy hatrany dia noleran’izy ireo ny sabatra. Naratra mafy koa io. Tezitra tanteraka tamin’izany fihetsika izany ny fokonolona ka vao mainka niha-betsaka ireo mpanenjika. Hany ka tsy lasa lavitra ny iray, izay niafina tao amin’ny trano iray dia voasambotr’ireo fokonolona. Mbola namaly ihany ilay io ka tsy namelan’ireo mpanenjika raha tsy tapitra ny ainy. Toraka izany ihany koa ny nanjo ny namany iray, izay mbola niana-kendry namely tamin’ny sabatra. Ny iray fahatelo kosa dia tany amin’ny fokontany iray hafa vao tratran’ny fokonolona, ary mbola namaly ihany koa. Efa leom-boanana ireo fokonolona ka dia matin’ny daroka sy ny vono ihany koa ity farany. Tafaporitsaka kosa ny roalahy, naman’izy ireo ary isan’ireo nanafika. Raha ny fampitam-baovao azo dia mbola hita teny amin’ireo jiolahy maty ireto ny vola avy nangalariny, fa teo ihany koa ny basy vita gasy izay nentin’izy ireo niaraka tamin’ny fanafody gasy maromaro. Efa eny am-pelatanan’ireo mpitandro filaminana any an-toerana moa ny raharaha.

Andry N. / m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici