Famadihana ny andro tamin’io fotoana io, ary mamo ilay raim-pianakaviana. Teny an-trotrony ilay zaza, izay sady toran-tomany no nisy rà ny elakelam-peny. Ny alatsinainy lasa teo, raim-pianakaviana iray 20 taona no voatery nosamborin’ny zandary avy ao amin’ny tobin-jana-paritra Vinaninony, Faratsiho, noho ity farany noahiahiana ho nahavita nampihatra ny filan-dratsiny tamin’ny zanany vao roa taona monja. Araka ny fampitam-baovao azo, ny alatsinainy teo, tonga nametraka fitoriana teo anivon’ny zandary tany an-toerana ny fianakavian’ity zaza niharan’ny fanolanana ity. Ny sabotsy lasa teo tokoa mantsy, tao amin’ny tananan’i Tsarazafy Centre, kaomnina Vinaninony, nandritry ny fotoana tsy nahateo ny reniny dia napetraka tamin’ny rainy ilay zaza. Nony niverina avy tany amin’ny toeran-kalehany anefa ilay reniny dia nahita ilay zaza nidradradra mafy sy ilay rainy mamo. Andro lanonana rahateo tamin’io fotoana io, satria voalaza fa nisy famadihan-drazana tao an-tanana. Tsy nanaitra ilay reniny ny toe-javatra, raha tsy nahita ilay zanany, vonto rà, teo amin’ny elakelam-peny. Tamin’io fotoana no niolomay ity farany, nitondra azy maika tany amin’ny toeram-pitsaboana tao Tsarazafy. Voalazan’ny mpitsabo tamin’izay fotoana izay, fa hoe niharan’ny fanolanana ity zazakely ity. Niantefa avy hatrany tany amin’ity rainy ity moa ny ahiahy rehetra, nahatonga ny zandary nisambotra azy avy hatrany. Napetraka natao andrimaso any amin’ny biraon’ny zandary ity farany, ho amin’ny famotorana azy sy miandry ny fanolorana azy eny anivon’ny Fampanoavana. Ilay zaza kosa, raha ny fantatra dia salama tsara, saingy mbola misy fanafody andrasana avy aty an-drenivohitra.
m.L