- Publicité -
lundi, juillet 7, 2025
AccueilFaits-DiversFaravohitra –Andrefan’ambohijahanary : Nipoaka ny basy, nirefodrefotra ny baomba

Faravohitra –Andrefan’ambohijahanary : Nipoaka ny basy, nirefodrefotra ny baomba

Nihazakazaka izay tsy izy ny toetra-draharaha nitranga omaly. Samy tsy nisy nanam-po ny fahatongavan’ny filoham-pirenena teo aloha Marc Ravalomanana ny rehetra, eny fa ireo mpomba azy aza, omaly maraina. Tamin’ny alalan’ny tambajotra sosialy no nahatonga ny olona marobe nirohotra teny amin’ny trano fonenan’ity filoha teo aloha ity ary tena tao tokoa izy. Feno olona iny faritra Faravohitra sy ny manodidina iny.

Sakoroka. Niteraka fitohanana sy sakana tamin’ireo lalana teny an-toerana mihitsy aza izany.

Nigadona ny folak’andro. Niakatra avy any ireo Emmo/Reg, nilahatra sy nanemitra ireo olona tonga maro ary niezaka nanaparitaka azy ireo tamin’ny baomba mandatsa-dranomaso. Velona ny fitsoahana, nifanosika ny olona. Fotoana fohy avy eo, mpitandro filaminana misaron-tava, mirongo basy, anatina fiara tsy mataho-dalana efatra no niakatra nanao amboletra niditra ny vavahadin’ny tanana. Nirefotra ny basy. Tsy niantefa tany amin’ny olona ny bala tena izy narefotr’ireo mpitandro filaminana misaron-tava ireo fa teny amin’ny hidim-bavahady vy, nanapitsohana azy. Nentin’izy ireo tamin-kery taorian’izay Atoa Ravalomanana. Mbola miatrana kosa etsy andanin’izany ireo mpitandro filaminana niezaka nanakana ireo olona tsy hitroatra. Voambina tanteraka ireo lalana rehetra nanodidina ny toeram-ponenan’ity filoha teo aloha ity, hatreny Faravohitra, tonga aty Ambohijatovo ary tany Ambatonankanga. Efa nisy nilaza ihany koa mantsy fa hidina eny amin’ny Kianjan’ny 13 may hitroatra ireo olona marobe, tonga nanotrona ity filoha teo aloha ity nanoloana ilay fisamborana mahery vaika. Tsy tanteraka teo amin’ny ora farany anefa izany noho ny fisian’ireo mpitandro filaminana.

Nirehitra ny kodiarana. Raha ny feo nandeha sy fantatra dia voalaza fa nentina teny amin’ny Toby Ratsimandrava Atoa Ravalomanana Marc. Teny indray no nirohotra ireo olona marobe mpomba azy. Omaly hariva tokoa dia tsy azo naleha intsony ny lalana nihazo an’Andrefan’Ambohijanahary misy ny tobin’ny zandary iny. Efa tazana niatrana teny ihany koa ireo mpitandro filaminana. Naneho ny tsy fahafaliam-pony ireo vahoaka tonga teny an-toerana tamin’ny alalan’ny ompa sy fihantsiana ireo mpitandro filaminana nanakana ny lalana. Andian’olona vitsivitsy kosa no nandoro kodiarana, omaly hariva. Nirefodrefotra indray ny baomba mandatsa-dranomaso, hanaparitahana ireo olona. Nanomboka nilamindamina ny toe-draharaha taorian’izay. Hatreto aloha dia tsy fantatra mazava na mbola voatazona ao an-toerana ity filoha teo aloha niditra tsy nisy mpahafantatra teto an-tanindrazana ity. Voalaza mantsy fa noho ny fiarovana ny ainy dia tsy maintsy atao ny fitazomana azy amina tanàna voambina.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser