Tsy mijanona ny hetsika ataon’ny polisy amin’ny ady amin’ny fihanahan’ny rongony. Fantatra izao fa olona dimy indray no tratra teo am-pifohana izany, teny amin’ny faritr’i Faravohitra. Nisy nampilaza ny tao amin’ny komisarian’ny polisy, boriborintany faharoa etsy Ambohijatovo, fa misy toerana fifohana rongony ankalamanjana isaky ny harivariva manaraka ny tohatoha-bato eny Faravohitra Ambony, midina makany amin’ny Rasalama iny. Nandray ny andraikiny ny polisy, ka dimilahy no tratra teo am-pifohana, miaraka amin’ny fonosana karaoty miisa dimy. Rehefa nofotorana izy ireo nilaza fa any Analakely sy any Ambohimanarina no mividy an’io rongony io, ka eo amin’io toerana io no mifanao fotoana rehefa hifoka azy.
Marihina fa mpianatra sy mpiasa ireto tratra ireto. Tamin’ny sabotsy teo no niatrika ny Fampanoavana izy ireo ary nalefa vonjimaika eny amin’ny Fonjaben’Antanimora.
nangonin’i r.s.