- Publicité -
mardi, juillet 22, 2025
AccueilFaits-DiversFaravohitra : Efa-dahy misaron-tava, mitondra basy, manendaka

Faravohitra : Efa-dahy misaron-tava, mitondra basy, manendaka

Andro aman’alina mihitsy ny asan-jiolahy eto an-drenivohitra amin’izao fotoana izao. Isan’andro no andrenesana fanafihana, sinto-mahery sy vaky trano. Ny andron’ny alarobia teo teny Faravohitra tsy lavitra ny sekoly Rafiringa, bandy  efatra voalaza fa nitondra basy ary nanao saron-tava no nanendaka. Vao tamin’ny enina ora maraina, io andro io, olona handeha hamonjy asa no sendra an-dry zalahy ireo. Voaamba basy ary voaendaka. Lasan’ireo olon-dratsy tamin’izany ny vola tany aminy. Rehefa izany dia lasa nandositra ireo mpanakan-dàlana. Ny hariva tamin’ny 8 ora tany ho any, amin’ny fotoana mampitohana ny fifamoivoizana, voalazan’ny vaovao fa ireny indray ireo andian-jiolahy. Olona tao anaty fiara no lasibatra tamin’io. Vola sy finday ihany koa no lasan’izy ireo. Raha vao nahazo izany ry zalahy dia nihazo ny elanelantrano eo amin’ny EPP Ampasandratsarahoby, dia tsy hita izay nalehany.

Endaka sy vono. Fa mbola tsy fandriampahalemana sy fanendahana ihany. Tamin’ny faranan’ny herinandro  teo, olona efatra no nanaovana bandy  hatrany amin’ny 15 tambabe teny Ambohitrarahaba amin’ny lalana ho any Amboara. Mangina ny làlana indrindra amin’ny antenantenam-potoana ka izany no hanararaotan’ireo mpanendaka handrobana izay sendra azy. Ny vaovao no nahalalana fa iray no mody niresaka tamin’ireo efatra. Nisy telefaonina tamin’ireto farany ary io no notsiriritiny. Namaly anefa ny tompony, hoy hatrany ny vaovao. Tsy niandry ela ireny indray nirohatra avy any 15 lahy ary dia niharan’ny vono sy ny daroka teo ireo olona efatra. Ny mponina eny amin’ny manodidina mpampiasa an’io làlana io dia misintona ny sain’ny tompon’andrikitra hijery akaiky izao zavatra izao. Tsy sambany mantsy nisy asa fanendahana teny, fa efa im-betsaka. Hatramin’ny mpanampy sy olona hividy zavatra mahita faisana avokoa. Toa efa fantapantatra ihany ny toerana fiavian’ireo olon-dratsy ireo, hoy ireo efa sendra azy.

r.s.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser