- Publicité -
samedi, juin 7, 2025
AccueilFaits-DiversFaravohitra : Fiara tapaka hisatra, nitsimbadika tanteraka

Faravohitra : Fiara tapaka hisatra, nitsimbadika tanteraka

Omaly antoandro tokony ho  tamin’ny 12 ora sy sasany teo  ho eo  no nitrangan’ity lozam-pifamohivohizana  ity,  teny akain’ny  Ekar Faravohitra iny. Araka ny vaovao voaray dia fiara tapaka hisatra no niteraka ity loza ity, Iny nidim-pidinana iny ity fiara ity no nisy olana teo amin’ilay hisatra avy eo nidona mafy tamin’ny sisin-drindrina vato teo amin’iny Ekar Faravohitra,  ilay fiara ka dia nitsimbadika tanteraka ambony ambany. Fantatra fa niantefa tamina fiara hafa  sy moto iray izay nandalo teo  an-toerana ity fiara ity.  Araka ny  loharanom-baovao voaray hatrany no nahafantarana fa olona roa no tao anatin’io fiara io izay voalaza fa vehivavy bevohoka ny iray. Tsy nisy kosa ireo  olona izay  namoy ny ainy tamin’ity lozam- piarakodia  ity , saingy ireo izay tao anatin’ity fiara ity kosa no voalaza fa  naratra noho ilay fiara izay tena nivadika tanteraka, ka nentina avy hatrany teny amin’ny tombim-pahasalamana haingana izy ireo. Nisy fahasimbany kosa ilay fiara,  ary fantatra fa vaky tanteraka ny fitaratra. Tokony hitandrina hatrany ireo  mpamily fiara mba hisorohana ny loza mety hitranga tahaka izao.

FINARITRA.RAKOTO(Stagiaire)

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici