Sady kivy no tezitra na ny tompon’ny fiara izay voadona na ny olona izay nahita ny fandehan-javatra. Ny talata teo, tokony ho tamin’ny enina ora hariva, nisy fiara tsy mataho-dàlana nandeha mafy niakatra tamin’iny làlana “pavé” eny Faravohitra iny. Tsy voafehin’ilay mpamily intsony ny fiara ary nifatratra tany amin’ny fiara telo; izay nijanona antsisin-dàlana. Potika tanteraka ny tapany aorianan’ny iray ary ny roa kosa voakasika. Tsy nijanona akory ilay mpamily izay noheverina fa nentin’ny hamamoana taorian’ny lozam-pifamoivoizana izay nataony. Nitsoaka teo an-toerana izy ary soa ihany, fa nisy nahatsikaritra ny laharan’ny fiara. Noheverina ho mamo satria mbola nisy “cannette” labiera natsipiny teo an-toerana no sady nitsoaka izy. Raha ny fitantaran’ny olona izay nijoro ho vavolombelona, dia fiara miloko mena ary mitondra ny laharana 5486 TAJ, “double cabine” io nandona io. Ny alin’iny ihany dia nandeha tany amin’ny pôlisy ny tompon’ny fiara ary nanao ny fitoriana. Mazava hoazy fa niatomboka teo ihany koa ny fikarohana ilay mpamily.
D.R