- Publicité -
mercredi, juillet 9, 2025
AccueilFaits-DiversFaravohitra : Mihorohoro ny mponina

Faravohitra : Mihorohoro ny mponina

Fanafihana dimy ao anatin’ny roa andro, mihorohoro tanteraka ny mponina nanomboka tamin’ny faran’ny herinandro teo. Indrindra koa raha mbola sahin’ireo olon-dratsy ny niverina tao amin’ny tokantrano iray izay mba tsy vakiny, ny ampitson’ny nanafihany ihany. Nisy mihitsy ny fianakaviana sasany nanapa-kevitra niala teo Faravohitra ary nifindra trano. Ny sasany indray dia nivorivory ary nanamafy ny vavahady na namorona an’izany ho an’izay tsy manana. Raha ny fijerin’ny olona azy dia misy mpiambina eo an-toerana ihany no manome vaovao ho an’ny jiolahy namany izay heverina ho avy any Anosibe. Ny elakelan-trano dia efa tsy azo izorana intsony na aiza na aiza, nefa izany dia manampy betsaka amin’ny fodian’ny olona maro any an-tranony. Misy ihany ny fikasan’ny olona hamerina ny andrimasom-pokonolona saingy mbola hevitra manidina aloha izany hatreto. Isan’ny tanàna nilamina sy tsy dia nanjakan’ny asan-jiolahy izany Faravohitra hatrizay. Saingy izy indray izao no lasa faritra mena amin’ny tsy fandriam-pahalemana. Tsy mba misy mihitsy rahateo ny fisafoana ataon’ny mpitandro ny filaminana eny amin’iny boriborintany iny ary manginy fotsiny ny hamaizinan’ny toerana noho ny fahasimban’ny andrin-jiro maro. Tsy mandry saina ny olona ankehitriny noho ny tsy fandriam-pahalemana ary toa mahatsiaro ho very izany noho ny tsy fisian’ny fandraisana andraikitra hita maso ataon’ny manam-pahefana…

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici