Ny 4 jiona teo no voasambotry ny polisy tetsy amin’ny tohatohabaton’ny Lycéé Jules Ferry Faravohitra i Jean sy Liva . Ny Polisy tao amin’ny boriborin-tany faha-3 etsy Antaninandro no nahatratra azy ireto teo am-panendahana. Mpianatra 2 no lasibatra tamin’izany, izay mipetrapetraka eo amin’ny tohatra no nendahin’izy roalahy ireto, nandrahona tamin’ny antsy mba hanome ny zavatra rehetra tany amin’izy ireo. Natahotra moa ireto mpianatra nanoloana ny zava-maranitra, ka dia natolotra ny finday 4 tany aminy.
Raha vao azon’ireto jiolahy izany dia nandositra nihazo an’Antaninandro izy ireo, ka teo no nifanehitra tamin’ny polisy nanao ny fisafoana tamin’iny toerana iny. Natao avy hatrany ny fisamborana ary mbola tratra tany amin’izy ireo, ireo finday 4 nangalariny sy ny antsy.Mbola tanora tokoa izy roalahy ireto, satria 24 taona sy 19 taona. Ary tsy dia mifidy angalarina izy ireto fa izay sendra azy ireo dia mahita faisana avokoa. Tamin’ny famotorana natao azy ireo no nahafantarana fa efa mpanendaka amin’iny faritra Antaninandro iny izy roalahy ireto ary tena mampikolay tokoa ny mponina manodidina. Efa mpamerina foana ny helony moa izy roalahy ireto ka tonga dia natolotra ny fitsarana ny alakamisy teo ihany.
ALEM