- Publicité -
mercredi, mai 14, 2025
AccueilFaits-DiversFaravohitra : Mpanendaka tratra ambody omby

Faravohitra : Mpanendaka tratra ambody omby

Mitohy hatrany ny hetsika manokana, « opération coup de poing » ataon’ireo pôlisin’ny kaomisaria tsirairay avy eto an-drenivohitra, ho enti-mamongotra ireo tontakely. Omaly, mpanao sinto-mahery iray indray no tratra ambody omby, mbola teo am-pisintonana ny entana teny amin’ilay olona lasibatra mihitsy, teny amin’iny faritra Faravohitra iny. Faritra hiandraiketan’ny pôlisin’ny kaomisarian’ny boriborintany fahatelo, etsy Antaninandro. Raha ny fampitam-baovao azo dia ireo pôlisy tsy manao fanamiana (sivily), izay mihodinkodina sy misafo ireo toerana rehetra, na eny amin’ny arabe na an’elakelan-trano no nahatsikaritra ireto tontakely ireto. Raikitra teo ny fanenjehana saingy ny iray ihany no tsy afa-niala intsony, raha tafaporitsaka ilay namany.

Marihana fa ny faritra sahanin’ity kaomisarian’ny boriborintany fahatelo ity no anisan’ny midadasika, ary saika ireo faritra mena amin’ny tsy fandriampahalemana avokoa, raha tsy hiteny afa-tsy Andravoahangy, Ambodivona, Anjanahary, Ampasampito ary Ambatomaro. Hatreto anefa, azo lazaina fa milamindamina ireo, noho ny fisian’ireo mpitandro filaminana misafo tsy an-kijanona na andro na alina.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici