- Publicité -
dimanche, décembre 28, 2025
AccueilFaits-DiversFaravohitra : Ramatoabe 85 taona maty nisy namono

Faravohitra : Ramatoabe 85 taona maty nisy namono

Ramatoabe iray 85 taona no hita faty tao amina trano iray eny Faravohitra ny zoma teo. Voalaza fa mipetra-drery izy, kanefa kosa manana mpanampy mikararaka azy ihany. Tamin’ny fotoana nahitana ny razana, nahitana dia-kapoka taminy, ary io no voalaza fa nitarika ny fahafatesany. Finday sy vola no tsy hita tao an-trano. Araka ny fanazavana azo tamin’ny olona akaiky ity ramatoa ity, tsy tao an-trano ilay mpanampy fa nandeha nividy fanafody. Rehefa niverina io dia nahita fa nisy niditra tao an-trano ary ilay ramatoabe efa nivalapatra tsy nisy aina intsony no novantaniny. Nampandre ny manampahefana ny manodidina ary tonga teny an-toerana ny mpitandro filaminana. Nanao ny fanadihadiana savaranonando ka nilaza fa nisy namono ilay ramatoabe io. Misokatra ny famotorana momba ity raharaha ity. Vaki-trano tsotra narahana famonoana, sa vonoan’olona niniana natao. Eo am-pelatanan’ny mpitandro filaminana ny raharaha.

Yv Sam

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici