Vehivavy lehibe iray tokony ho 88 taona no taraiky tao anatin’ilay hain-trano mahatsiravina ny harivan’ny alatsinainy teo, tetsy Faravohitra. Soa ihany anefa, noho ny ezak’ireo mpamonjy voina dia avotra soa aman-tsara ity farany. Marihana fa manana fahasembanana ara-batana izy ireo araka ny fanazavana nomen’ny tompon’andraikitry ny mpamonjy voina. Raha tsiavihina tokoa ny tranga dia tokony ho tamin’ny fito ora hariva tany ho any nanomboka nijolofotra setroka, narahana lelafo tao amina rihana voalohany, tamin’ity trano lehibe nisy rihana telo ity. Mbola somary natevina ihany ny orana tamin’io fotoana io. Nisy fahatapahan-jiro maharitraritra teny an-toerana talohan’izay, ary niverina tampoka ny jiro. Taorian’izay no nisy nahatsikaritra io setroka io ary samy niezaka niantso mpamonjy voina avokoa ny rehetra. 15 minitra teo ho eo taorian’ny antso vonjy no tonga teny an-toerana ny fiaraben’ireo mpamonjy voina. Nisedra fahasahiranana izy ireo tamin’ny fifehezana ny afo, hoy ny fanazavana azo noho ny tsy fandehanan’ireo « bouche d’incendie » teny an-toerana. Ambonin’izay dia nisy fahatarany ihany koa ny fahatongavan’ireo mpanapaka jiro teny an-toerana. Raha ny fantatra mantsy, dia vokatry ny « court-circuit » nitranga tao amin’io rihana voalohany io no nahatonga ny loza. Na izany na tsy izany aza anefa, dia voafehy ihany ny afo, rehefa nezahina novonoina tao anatin’ny adiny telo maninjitra. May tsy nisy noraisina avokoa kosa ny tao amin’ny rihana voalohany, faharoa ary fahatelo tamin’ity trano lehibe ity. Tsapa fa saika fototry ny fahamaizan-trano tato ho ato izay ny herinaratra. Izany dia matetika vokatry ny fampiasana fitaovana mpitondra herinaratra tsy ara-dalàna sy tsy manaraka ny fenitra takiana. Mila mailo tanteraka araka izany ireo mpanjifa.
m.L