Avy aty Analakely dia efa hita nijoajoala ny afo ary nanenika ny lanitra ny setroka mainty. Nandeha mafy namonjy ilay toerana ny fiaran’ny mpamonjy voina ary teo no nahitana trano biriky efa somary antitra izay nirehitra. Niitatra tamin’ny trano fonenana iray teo amin’ny manodidina izany, raha araka ny fanamarihan’ny mpamonjy voina. Ny tena natahorana dia ny fisian’ny zazakely roa tao anatin’ny trano. Saingy rehefa natao ny fanavotana rehetra sy ny fidirana an-tsehatry ny mpamonjy voina, dia tafavoaka soa aman-tsara ihany ireo zaza. Ny niandohan’ny afo kosa dia tsy fantatra mazava, satria na ny mpamonjy voina izay nanontaniana aza dia mbola nisalasala ny amin’izany. Ny olona teo an-toerana indray no nihevitra fa mety ho “court-circuit” no nitarika izany.
D.R