- Publicité -
mercredi, juillet 9, 2025
AccueilFaits-DiversFari-piadidian’ny miaramila faha-03 Toamasina : Naseho ambany faneva izy 141 mirahalahy avy...

Fari-piadidian’ny miaramila faha-03 Toamasina : Naseho ambany faneva izy 141 mirahalahy avy niofana telo volana

Andiany faharoa ny taona 2018 nahavita fihofanana teo anivon’ny toby miaramila faritany miaramila fahatelo teto Toamasina (1/RM3), momba ny raharaha miaramila sy ara-tafika ary ny resaka famokarana sy fandriampahalemana izy 141 mirahalahy vao navoaka teo ambany faneva ny herinandro nivalona iny. Telo volana no nanofanana azy ireo ka izao afaka miandraikitra ny asa maha-miaramila azy izao amin’izany, ka haparitaka amin’ireo faritra hiasan’ny miaramila eto Toamasina, na eo amin’ny lafiny famokarana izany na eo amin’ny lafiny fandriampahalemana. Eo amin’ity farany dia iny faritra mena ao Andilamena sy ny sisin-tany masaraka an’i Toamasina sy Mahajanga tena faritra hajakan’ny dahalo iny no andefasana ny ampahany betsaka amin’ireto miaramila zazavao vao navoaka eo ambany faneva ireto araka ny fanazavan’ny Kly Randriamifidy Andy-Patrick. Ireto andiany faharoa zazavao ny taona 2018 navoaka ny herinandro lasa ireto no miaramila zazavao maro indrindra navoakan’ny faritany miaramila fahatelo teto Toamasina hatramin’izany, na izany nambaran’ny Kly Ramaro fa maro jerena izy ireto fa vitsy kosa raha ny andraikitry ny tafika sy ny miaramila amin’ny fisahanana ny famokarana sy ny fandriampahalemana ary ny fiarovana ny vahoaka sy ny fananany. Ankoatra izany dia nomarihan’ny lehiben’ny tafika eto Toamasina fa maro ny resaka mikasika ny miaramila zazavao tahaka izao raha mandray ny asany izy ireo, na izany efa nomena azy ireo nandritra ny fanofanana azy ireo ny filamitry ny tafika malagasy dia ho an’ny tanindrazana sy ny lalana ary ny vahoaka.

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici