Anisany toerana manome endrika ny renivohitra ny farihan’Anosy. Omaly dia nisy olona nitangorina teo amin’io faritra io. Nandeha ny feo fa misy voay ao anaty rano. Zavatra tsy dia fahita firy izany ary araka ny fantatra dia tamin’ny repoblika voalohany no nisy farany izany. Tsy mahagaga raha toa ka taitra ny olona manoloana ity zava-nitranga ity ka nametra-panontaniana hoe fa misy inona?
R.D