- Publicité -
mercredi, juillet 16, 2025
AccueilFaits-DiversFarihin’Anosy : Nahitàna zanaboay hoe ?

Farihin’Anosy : Nahitàna zanaboay hoe ?

Nisahotaka ny mponina teny amin’iny faritra Anosy sy ny manodidina iny omaly. Nisy nilaza mantsy fa hoe nahitàna zana-boay, tao amin’ny farihin’Anosy. Niely vetivety foana teo ilay vaovao ka fotoana vitsy dia nitangorona ny olona. Zava-mahatalanjona tokoa, tsy dia fahita firy raha ny eto an-drenivohitra ny hoe « rano misy voay » fa indrindra ny hoe ranon’Anosy nisy izany biby izany. Teto anefa na dia samy niezaka naniratra ny masony aza ny rehetra dia tsy nahatazana n’inona n’inona akory. Ireo nilaza fa nahita anefa dia nanamafy tokoa fa nahita zana-boay tao amin’ity farihin’Anosy ity. Ka nisy sa tsy nisy ity biby ity ? Tsy mbola nisy hatreto tompon’andraikitra nanamarina na nandiso izany vaovao izany. Raha tsiahivina tokoa ny tantara tany aloha tany dia tsy vao izao akory no nisy ity filazàna fa misy voay ny ranon’Anosy ity. Efa tany amin’ny repoblika voalohany tany ho any no niatombohan’ity resaka ity. Tamin’izany fotoana izany, araka ny angom-baovao, dia nentin’ireo tompon’andraikitra, hampitahorana ireo olona mpaka trondro amin’ity farihy ity io resaka io. Fakàna trondro izay voarara tamin’izay ary mbola manan-kery hatramin’izao. Raha ny resaka voay teto an-drenivohitra indray, ankoatry ny eny amin’ny valan-java-boahary eny Tsimbazaza dia efa nisy nilaza ihany koa fa nahitàna izany tamin’iny ranon’i Mandroseza iny, volana maromaro lasa izay.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici