- Publicité -
jeudi, juin 5, 2025
AccueilFaits-DiversFarihin’Anosy : Tovovavy tsy fantatra tarehy intsony hita faty

Farihin’Anosy : Tovovavy tsy fantatra tarehy intsony hita faty

Mampihoron-koditra! Noendahina tanteraka tamin’ny zava-maranitra iny faritry ny tarehiny iny, angamba amin’izay tsy hisy hamantarana azy intsony. Efa tena mihabiby tokoa ny olona, raha ity zava-nitranga teny amin’ny fahirin’Anosy omaly maraina ity no zohina. Tovovavy iray, izay mbola ao anatin’ny fahatorany tokoa mantsy no hita faty teny an-toerana, tao ambadik’ireo trano kely misy ireo mpanety volo. Nihosin-drà tanteraka ary feno dian-dratra ny vatany iray manontolo. Ary tsy nahitana afa-tsy zara raha fitafiana, mba tsy hilazana ny hoe niboridana tanteraka, teny aminy : tsy  nisy akanjo ambony ary tsy nisy intsony koa ny ambany. Raha ny fitantaran’ireo nanatri-maso teny an-toerana dia ireo olona mandalo eny vao maraina no nahita azy ireo nivalampatra teo akaikina kirihitra iray. Na dia azo lazaina fa maro ihany aza ireo tsy manan-kialofana matory eny amin’iny amoron’Anosy iny dia nanaitra ny rehetra ny nahita ity tovovavy izay miboridana amin’ny ampahany amin’ity andro mangatsiaka. Nampandrenesina haingana ireo tompon’andraikitra ary tonga teny an-toerana koa ny pôlisy sy ny mpitsabo. Tamin’izay no nahitàna ity tranga mampivarahontsana ity. Efa tsy nisy aina intsony ihany koa ilay tovovavy. Azo heverina avy hatrany fa mety nisy namono ity vehivavy ity, ary natsipy teo ny fatiny nony avy eo. Tsy azo ihatahana ihany koa amin’ity tranga ity ny hoe mety ho niharan’ny fanolanana ity tovovavy ity ary novonoina. Tsy nisy nahafantatra azy avokoa ireo mponina teny amin’ny manodidina, ary tsy nisy taratasy azo nahalalana izany tany aminy. Ilay razana rahateo efa tsy nisy tarehy intsony. Nentina avy hatrany tany amin’ny tranom-paty moa ny razana, miandry izay havany. Efa mandeha ny fanadihadiana amin’izao.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici