- Publicité -
mardi, mai 13, 2025
AccueilFaits-DiversFarihy Andraikiba : Nisy nanota fady, nesoriny ny vato fanidin’ny rano

Farihy Andraikiba : Nisy nanota fady, nesoriny ny vato fanidin’ny rano

Niteraka resa-be sy tahotra teo amin’ny fiarahamonina ny zava-nitranga tao Andraikiba, nisy nanala mantsy ny vato fanidin’ny rano napetraky ny Ntaolo fahagola ka mihorohoro ny mponina. Lovan-tsovina sy hafatra napetraky ny Ntaolo ny tsy tokony hikitihana ity vato be ity,  napetraka eo ambony andrefana  tamin’ny alalan’ny fombafomba,  mba ho fanidin’ny farihin’Andraikiba. Ankoatra azy ity dia misy vilany vy lehibe roa koa miaraka amin’io vato io. Tsy azo kitihina ireo, araka ny hafatra napetraky ny ray aman-dreny, fa fanidin’ny rano. Raha ny fanazavan’ireo ray aman-dreny hatrany mantsy dia misy biby maro be ao amin’io rano, toy ny voay, karazana bibilava sy biby tsy fantatra anarana, misy aza moa ny milaza fa misy zazavavin-drano ao amin’io farihy lehibe io. Mba tsy hiakaran’izy ireny antanety dia nanao fanidy ny Ntaolo, dia io voalaza etsy ambony io. Hatramin’izay dia nahatandrina sy tsy nisy nahasahy nikitika io vato io, fa hataraina kosa ny an’ny mponina manodidina raha nisy nilaza fa nisy nanilika ilay vato be tamin’ny alin’ny alarobia lasa teo. Olona sendra nandalo no nahatsikaritra izany ny marain’ny alakamisy 10 martsa teo ka nampandre ny manodidina sy ny ray aman-dreny be eo an-tanana. Tsy fantatra aloha hatreto ny tena tanjon’olona sahy nangady sy nanilika ity vato be ity tamin’ny toerany. Tombanan’ny sasany fa mety ilay vilany vy be roa angamba no saika hangalarany saingy tsy hitany. Matetika tokoa no hita amina farihy na renirano amina faritra maro eto amin’ny Nosy ireny vilany vy ireny, napetraky ny Ntaolo mba ho fanidy ny rano indrindra ho fanidy ny vavam-boay ary mazàna mandaitra izy ireny rehefa voahaja tsara ny fady azy. Miandry am-pitaintainana izay mety zavatra hitranga ny mponina ao Andraikiba amin’izao, indrindra fa izao ankatoky ny fankalazana ny Paska izao izay tena mahamaro ny olona mitsidika sy miala voly eny Andraikiba. Efa nisy ihany moa ny fombafomba sy fangataham-pitahiana nataon’ireo olo-be teo an-tanàna ary naverina teo amin’ny toerany ilay vato be.

 Andry N.

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

2 Commentaires

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici