- Publicité -
mardi, juin 10, 2025
AccueilFaits-DiversFaritra Analanjirofo : Kaominina 11 misitraka ny drafitra ifotony fanajariana ny tany

Faritra Analanjirofo : Kaominina 11 misitraka ny drafitra ifotony fanajariana ny tany

Ny Goverinoran’ny faritra, nandritry ny fanokafana ity atrikasa ho fametrahana ny drafitra fanajariana ny tany.

Notontosaina ny alakamisy lasa teo ny atrikasa hametrahana ny drafitra ifotony fanajariana ny tany tany amin’iny faritra Analanjirofo. Hiantsorohan’ny Minisiteran’ny fanajariana ny tany sy ny fananan-tany ary tohanan’ny tetikasa Padap. «Zava-dehibe tokoa izao satria manana tombony ny Faritra satria miteraka fampandrosoana avy hatrany raha toa ka tanteraka soa aman-tsara » hoy ny Goverinoran’ny faritra, ny Dr Marcellin Randriamanantena, nandritry ny fandraisam-pitenanany. «  Maro ny vokatsoa azo avy amin’ny fanajariana toy fahafantarana ireo toerana sahaza mifandraika tsara amin’ny sehatra tokony hisy azy raha tsy hiresaka isika hoe toerana manao ahoana no tokony hanaovana sekoly , toerana ity tokony hajariana ho toeram-pamokarana sns. Fampandrosoana maharitra no ambadika izany satria mipetraka tsara sy azo antoka ihany koa ny toerana honenana » hoy hatrany izy. Raha ny fantatra dia efa kaominina 11 any amin’iny faritra iny no misitraka izany drafitra izany. Naneho ny fahavonany rahateo ireo Ben’ny tanana voakasika izany drafitra fanajariana izany. Manampahefana sy olo-manakaja maro no tonga nanotrona ity atrikasa ity tany an-toerana. Ny Tale  jeneraly eo anivon’ny Ministeran’ny fanajariana ny tany sy ny fananan-tany kosa no tonga nisolo toerana ny Minisitra, ary notronin’ny Lehiben’ny Fileovana ao Fenoarivo Atsinanana ary ireo fitaleavam-paritra voakasika izany tany an-toerana.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici