Olana sedrain’ny faritra Analanjirofo isan-taona amin’ny fotoana fahavokaran’ny lavanilina, ny fihotazana ireo lavanilina manta tsy mbola matoy, izay mazava miteraka fahavoazana be ho an’ny ekonomian’ny faritra noho ny kalitao midina isan-taona vokatry ny tsy fanajana lalàna.
Noho io olana io dia nandray fepetra ny lehiben’ny faritra Analanjirofo Atoa Ramaroson Jacques ny nanolotra fanampiana ireo mpitandro ny filaminana, ka isany nahazo izany fitaovana izany ny polisy ao Fenerivo atsinanana. Tao anatin’ny herinandro monja dia efa nahatratra iray taonina sahady ireo lavanilina manta tsy matoy tratran’izy ireo tao Fenerivo atsinanana fotsiny. Ny zoma alina lasa teo aza dia mbola nahatratra lavanilina tsy nanara-dalana 320 kg ihany koa ny polisim-pirenena ; olona iray voasambotra tamin’izany, ny tena tompony kosa nahatsapa ny fahadisoany dia nitsoaka.
« Tsy azo ekena ny fanimbana ny fihariana lavanilina amin’ny tsy fanajana lalana toy izao, tsy maintsy faizina araka ny lalana ireo tratra, ary mety hifarana hatramin’ny fanafoahanana ny fahazoan’izy ireo manangom-bokatra ho an’ireo mpamerin-keloka » hoy Atoa Ramaroson Jacques ; satria simba ny toe-karen’ny faritra, potika ny fiharian’ny tantsaka sy ireo tena mpandraharaha mpanara-dalana, tsy ilain’ny olona eo amin’ny tsena iraisam-pirenena ny lavanilina malagasy miha-ratsy isan-taona.
Tsy hijanona ao Fenerivo atsinanana toeram-pitehirizana ireo lavanilina fotsiny ny hetsika ataon’ny mpitandro ny filaminana miaraka amin’ny lehiben’ny faritra Analanjirofo, fa hiitatra amin’ireo kaominina sy fokontany manodidina ihany koa, satria any no tena mpamokatra ny lavanilina.
Malala Didier