Misavoritaka ankehitriny ny mpikambana eo anivon’ny kabinetran’ny lehiben’ny faritra Analanjirofo, vaky mantsy ny ady eo amin’izy ireo amin’izao fotoana izao. Ny herinandro nivalona iny dia nisy mpanolotsaina roa avy eo anivon’ity kabinetran’ny governoran’ny faritra Analanjirofo naiditry ny fitsarana am-ponja vonjy maika.
Isan’izany izao ady anatin’ny kabinetra ny faritra izao, ny kolikoly fanaon’izy ireo aman’olona, ary fisolokiana tsotra izao. Ny herinandro nivalona teo no naiditra am-ponja izy roa lahy ireto vokatra izay hadisoana sy heloka nataon’izy ireo no antony. Vokany dia lasa mampisy lonilony eo amin’ny samy mpikambana eo anivon’ny kabinetra ny faritra Analanjirofo, ka lasa mifampiambina amin’ny famoahana tsiambaratelo ny fiarahana izy ireo amin’izao. Araka ny angom-baovao natao dia efa nambaran’ny tonia mpampanoa lalana ny fitsarana ambaratonga voalohany Fenerivo atsinanana, Rtoa Volazara Mamy, ny 11 febroary 2021, fa tsy azo ekena ary henjehany hatramin’ny farany ireo olona voarohirohy amin’izany kolikoly sy mpisoloky izany. Tsy hananana havana izany fa na iza na iza voarohirohy ao anatin’izany dia tsy mitazam-potsiny ny fitsarana.
Ho an-dRabehaja Rosin araka ny angom-baovao natao dia fisandohana ho havana akaiky ny filoha lefitry ny antenimieran-doholona faritany Toamasina ny tenany. Milaza ny mahafaka olona eo anivon’ny fitsarana noho izany ny tenany ka hakany vola be ireo olona tratrany amin’izany. Tsy vitan’izany koa fa ireo mpiompy sy mpivarotra tantely ihany koa dia solokiany fa mila io vokatra io ny olom-be eo anivon’ny fitsarana ataony fanafody amin’ny tarehiny. Toraka izany koa ireo olona tratrany amin’ny antso an-tariby ka mahafantatra azy, izay solokiany amin’ny filazany fa filohan’ny antenimieran-doholona ny tenany amin’ny fisandohana ny feony ity olona ambony eto amin’ny firenena ity.
Ankoatra izany, ho an-dRatsimavandy Martin dia fisolokiana taratasin-tany sy fakana hazo ato anaty valan-javaboary no tena nahalalana azy. Isan’izany koa fisolokiana amin’ny fahazoana tolo-barom-panjakana tsy ara-dalana, sy milaza ny tenany mandritra ny toerana ambanivolo falehany fa iraka manokan’ny governora ny tenany ka misandoka amin’ny fanomezana taratasy fahazoan-dalana ho an’ireo mpitrandraka ala. Handrasana manomboka izao ny akon’ilay fanaborahana tsiambaratelo sy ny tohin’ny raharaha
Malala Didier