Manoloana ny disadisa nisy teo amin’ny foko Antanosy sy Antandroy izay niteraka famaizana trano maro tao anatin’ny fokontany Andemby dia fianakaviana maro no tsy manan-kialofana ary nisy ihany koa ny aina nafoy. Nidina ifotony tany amin’ny faritra Androy , distrika Antanimora Atsimo, kaominina Imanombo ireo tomponandraikitra avy amin’ny fitondrampanjakana izay notarihin-dRazafinjato Aurélie sy ireo mpiara-miasa aminy notronin’ireo manam-pahefana ao an-toerana, nijery sy nankahery ireo tra-boina ary nitondra ny teny fampiononana ho an’ireo fianakaviana mana-manjo. Notolorana fanampiana izy ireo ara-tsakafo sy ara-pitaovana , namporisihina ihany koa ny hampidirana ny zanany any an-tsekoly.
Tanàna vaovao
Mialohan’ny fidinana ifotony tany Androy dia nandalo tao amin’ny faritra Vakinankaratra ny ekipan’ny ministeran’ny Mponina. Nisy ny fitsidihana ny fanorenana ny tanàna vaovao ao Antsapanimahazo, Kaominina Antsohatany. Izany no natao dia nandinihana ireo sakana sy ny fomba anafainganana ny fahavitan’ny asa fanamboarana sisa tavela. Rehefa tontosa izay dia afaka mandray ireo olona ao anatin’ny tetikasa « Ankohonana miharina » mialohan’ny faran’ny taona 2024 io toeram-pihariana io. Napetraka ihany koa ny vondrona hifandraisan’ireo tomponandraikitra matetika ahafahana manara-maso sy manafaingana ny asa.
Narindra Rakotobe