- Publicité -
vendredi, juillet 4, 2025
AccueilFaits-DiversFaritra Anosy : Tsy dahalo intsony fa terorista

Faritra Anosy : Tsy dahalo intsony fa terorista

Raha ny fijerin’Atoa Rahovelson Fanomezana Israel, lehiben’ny faritra Anosy, ny zava-misy any atsimo dia tsy asan-dahalo intsony no tokony hiantsoana ny halatra omby fa asa fampihorohoroana. Manoloana izany dia niangavy ny OMC-Nat ny tenany mba hovaina hoe “Lutte Anti-Terrorisme” na LAT, na ady amin’ny asa fampihorohoroana, no hiantsoana ny hetsika miady amin’izy ireny fa tsy Opération Vol de Boeuf » na OVB intsony. “Ny zava-misy amin’izao fotoana dia mitovy tanteraka ny fitaovam-piadiana ampiasain’ny mpitandro filaminana sy ireo dahalo. Mila fampitaovana ny mpitandro ny filaminana raha tena te-handrava ny dahalo, raha ny fiheviny. “Manahirana ny ady amin’ity dahalo ity satria ny andaniny mamono feno habibiana, ny ankilany te-hamaly mafy nefa mieritreritra ny « Droit de L’Homme » ihany koa.Tsy fahavalo anefa ireo dahalo ireo, ka ny mety dia ny hikilasiana azy ireo ho mpampihorohoro mba hahafahana mandringana azy”, hoy izy mamarana ny fanazavany.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser