- Publicité SW45 -
jeudi, décembre 26, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversFARITRA AROVANA IBITY : Nifarana ny tetikasa TOSIKA

FARITRA AROVANA IBITY : Nifarana ny tetikasa TOSIKA

Fikambanana tsy miankina misehatra amin’ny lafiny fiarovana ny tontolo iainana amin’ ny alalan’ny fampiasana saritany  sy “drône”ny  TOSIKA na Tontolo sy kajy. Ankoatra ny resaka tontolo iainana dia mitakosina amin’ny tantsaha ihany koa ny fikambanana manome fiofanana ho an’ny mpamboly ho fanatsarana ny velotenan’izy ireo. Tsy eto Vakinankaratra ihany no ahitana ity tetikasa ity fa mivelatra amin’ny faritra maro eto amin’ny Nosy. Nifarana tamin’ny faraparan’ny herinandro teo ny tetikasa rehefa niasa nandritra ny 22 volana. Tao amin’ny faritra arovana Ibity Antsirabe no niasany nandritra izay fotoana izay. Nisy ny tatitra ny zava bita sy fanaovana tombanezaka natao nandritra ny Atrikasa famaranana tao amin’ny Hotel des Thermes. Fantatra tamin’izany fa tojo tamin’ny tanjona nokinendriny ny Tetikasa satria mihoatra ny noho izay nandrasana ny vokatra. Isan’izany ny fahamaroan’ny tantsaha nisitraka ny velotena satria dia nihoatra efatra heny ny isa nandrasana. Marihina fa ity velotena ity dia fampiofanana ara ekolojika ireo tantsaha mba hampitomboina ny vokatra. Natao ihany koa ity atrikasa ity hoy Zafison Randrinasolo tale mpanatanteraka ny tetikasa Tosika ho fanehoana mivaingana ireo sehetra iasan’ny Tosika, ho fanamafisana ny fiaraha miasa amin’ny MGB. Tapaka fa hojerena akaiky ireo tsindry mpahazo ny tontolo iainana, isan’izany ny fifehezana ny resaka doro tanety ao amin’ny faritra arovana, ny fitrandrahana arina sy ny harena ankimbon’ny tsy ara dalana ary fijerena ireo tany kahon’ny riaka. Natsangana ihany koa ny koperativa telo miray mba hahafahan’ireo nahazo tombontsoa manoy ny asa.

Andry N.

- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici