Feno telo taona ny 27 novambra lasa teo, ny RTS Radio eto Toliara. Ny 27 novambra 2013 no niorina ity onjam-peo manome sehatra ny fanabeazana sy fanomezam-baovao ary fampialana voly ny mponin’ i Toliara ity. Mampiavaka an’ity onjam-peo mitaiza ny olom-pirenena ity ny serasera mivantana amin’ireo mpihaino azy izay ahafahana mandefa hafatra isan’andro, mifampizara vaovao ary mangataka hira. Eo ihany koa ireo fandaharana vaovao mahaliana ny maro ankehitriny, toy ny “Adidin’ireo olomboafidy”, “Tanora manan-jaka”, “Nareo bao”, “Ampela mandraby adidy”, ary “Ntsika aja” sehatra ho any ankizy.
Onjam-peo mitaiza vahoaka. Karaoke mivantana izay nandraisan’ireo mpihaino sy ny mpiasa anjara no nentina nankalaza ny fahatelo taonan’ ny ny RTS Radio afak’omaly, izay nofaranana tamin’ny fanapahana sy fizarana mofomamy. “ Mbola mitohy hatrany ny fanatsarana eo anivon’ny RTS Radio na eo amin’ny fandaharana io, na eo amin’ny velarana afaka manjohy an’ity onjam-peo ity “, raha ny fanazavana avy amin’ny mpitantana sady mpanorina ny onjam-peo, ny depiote Siteny Andrianasoloniaiko, nitafa tamin’ny mpanao gazety.
Eric Manitrisa
Manjaka ny gaboraraka eo amin’ny fitrandrahana harena an-kibony tany
Mbola manjaka ny gaboraraka eo amin’ny sehatry ny fitrandrahana harena an-kibon’ny tany ato amin’ny faritra Atsimo Andrefana, ka tsy migoka ireo tombontsoa azo avy amin’ izany ny vahoaka eny ifotony. “ Mahazo laka ny fanararaotana sy ireo tsy fanarahan-dalàna tsy manaja ny “code minier” ataon’ireo mpitandraka vaventy. Sarotra ihany koa ny fanaraha-maso an’ireo mpitrandraka madinika noho izy ireo tsy fantatra isa mazava ny fisiany, izay tsy mandoa an’ireo haba isan-karazany izay tokony haloa any amin’ny fanjakana. Etsy andaniny tsy voahaja ny tontolo iainana ary tsy mangaraharaha ny fitantanana ara-bola ka valalanina ny vahoaka “. Io no nivoitra nandritra ny atrikasa natao tamin’ity herinandro ity niarahana tamin’ny minisiteran’ny harena an-kibon’ny tany sy ireo tompon’andraikitra avy aty amin’ny faritra, ary ny solontenan’ireo mpitrandraka sy olon-tsotra, izay atrikasa nentina hitadiavam-bahaolana hanatsarana ny fitantanana ny fitrandrahana harena an-kibon’ny tany aty amin’ny faritra Atsimo Andrefana.
Esorina amin’ny taniny ireo mponina, tsy mahazo tambiny ara-bola. Hatreto aloha, raha ny fanazavana azo hatrany, dia mbola jamba ny vahoaka izay tsy mahafantatra ny zava-mitranga amin’ny tanàna misy azy. Rehefa tonga ny Sinoa, ny Srilankey, na ireo vahiny hafa avy any ivelany mametraka ny fitaovana ary vonona hitrandraka avy hatrany, vao samy taitra ny rehetra. Esorina amin’ny taniny ihany koa ny mponina, kanefa tsy mahazo tambiny ara-bola akory. Manomboka izao, dia ilaina araka izany ny fametrahana rafitra maty paika harindra hifanaraka amin’ny lalàna mifehy ny fitrandrahana harena an-kibon’ny tany amin’ireo mpitrandraka rehetra mba ho fanohitry ny fampandroasoana, ka hahazo tombontsoa mivantana ny vahoaka any ifotony.
Eric Manitrisa