- Publicité SW45 -
samedi, juillet 6, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversFaritra atsimo andrefana : Vonona hiatrika ny loza voajanahary

Faritra atsimo andrefana : Vonona hiatrika ny loza voajanahary

Volana vitsivitsy alohan’ny hiatrehana ny loza voajanahary mpiseho sy miverimberina  isan-taona aty amin’ny faritra atsimo andrefana (rivo-doza, tondra-drano sns sns..) dia nisy ny atrikasa nandritra ny telo andro tao amin’ny hotely iray tao Madiorano, hoentina miatrika an’izany loza izany. Ny BNRGC no tompon’antoka tamin’ity atrikasa nandraisan’ireo mpiantsehatra rehetra voakasik’izany sehatr’asa izany anjara. Tamin’izany no nandrafetana ny drafitra hoentina miatrika ny loza sy ny tandindonin-doza, na ny « plan de contingence »  faritra atsimo andrefana.

Tsapa tokoa mantsy fa ny loza voajanahary dia tsy misy fomba azo anakanana azy tsy hihatra, saingy ny fahaizana mandray fepetra mialoha sy mandritra ny fandalovany no mety hahamora ny fiantraikany na ny hampihena ny vokadratsy mety haterany. Ka nivohitra nandritra ity fivoriana ity ny fanehoana ny loko  samihafa famantarana hampiasana rehefa misy ny tranga, sy ireo fomba fikajiana tsotsotra ireo traboina any aminy distrika sivy, hatrany anivon’ny fokontany.  Anisany koa ny fanangonana sy fampiakarana ireo vaovao marim-pototra farany izay hiainga avy any anivon’ny fokontany nisehoan’ny loza, ka hahatonga ny fifehezana sy hampihena ny tahan’ny olona traboina any amin’ny faritra na toerana anankiray. « Misy ny drafitra nasionaly hitantanana ny loza  sy ny tandindonin-doza ary tsy maintsy apetraka koa ny any amin’ny faritra rehetra eto Madagasikara. Izany indrindra no nanaovana alohaloha ny ato amin’ny faritra atsimo andrefana, satria anisan’ireo faritra marefo izy. Sambany mantsy no nisy rivo-doza niditra avy aty andrefana tato ho ato, ka izay no nahatonga ny fitondra-panjakana nanavao ny drafitra nisy teo aloha. Satria sady misy haintany ny aty no andalovan’ny rivodoza, ka matetika miteraka tondra-drano », hoy Raholonarivo Solonavalona Paolo Emilo,  talen’ny fiofanana sy ny fitantanana ny loza ao aminy BNGRC.  Taorian’ny atrikasa dia nilaza ny fahavononany hiatrika izay loza mety hisy amin’ity fotoam-pahavaratra ity solontenam-panjakàna ato amin’ity faritra ity. « Sakana ho amin’ny fampandrosoana ny tsy fananana lamina matipaika ho fisorohana mialoha ny loza, ka tombony ho an’ny faritra atsimo andrefana ny fananana ny tahirin-kevitra toy izao, mba hoentina misoroka ny loza  sy ny hetraketraky ny natiora », hoy ny “prefet”-n’i Toliara Solondraza Arson Lydore. Ny solontenan’ireo mpanjono avy ao an-tanànan’Ifaty sy Madiorano dia naneho koa ny fankasitrahany an’izao atrikasa izao. « Tombony ho anay ny fahalalana ny toromarika rehetra amin’ny tokony hatao rehefa tonga ny  rivodoza, ka hahafantaranay mialoha fa tsy tokony hivoaka hiandriaka intsony izahay mandritra ireny vanim-potoanan’ny andro ratsy ireny. » 

Francis Ramanantsoa

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici