- Publicité -
mercredi, juillet 9, 2025
AccueilFaits-DiversFaritra Atsimo : Dahalo 120 namoy ny ainy, 39 voasambotra

Faritra Atsimo : Dahalo 120 namoy ny ainy, 39 voasambotra

Mitohy hatrany ny hetsika ataon’ny mpitandro filaminana amin’ny ady amin’ny asan-dahalo isan-karazany any Atsimo. Fantatra izao araka ny vaovao nampitain’ny avy eny amin’ny zandarimaria fa, mahatratra  120 any ho any ny dahalo sy karazan-jiolahy maty. Nisy 39 no azo sambo-belona. Ankoatra izany, nisy basy maromaro ihany koa tratra toy ny basy vita gasy, basim-borona, PA roa. Azo ihany koa ireo basy very tany Tsivory fotoana elaela lasa izay. Omby  hatrany amin’ny 1814 no azo. Ny vokatra azo moa dia avy amin’ny fampiasana helicopter, hoy hatrany ny vaovao. Tsy mijanona eo anefa ny “opération” fa mitohy hatrany, araka ny vaovao voaray.  Tsy mbola milamina mantsy any amin’in faritra iny. Efa misy amin’izao fotoana izao ireo olona mivondrona vonona hiady amin’ireo malaso ireo. Manampy azy amin’izany ny mpitandro filaminana.

r.s.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser