- Publicité SW45 -
dimanche, décembre 22, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversFaritra Atsinanana : 20 mianadahy ireo notolorana mari-boninahitra

Faritra Atsinanana : 20 mianadahy ireo notolorana mari-boninahitra

Natao ny sabotsy teo ny fizarana mari-boninahitra ho an’ireo nahazo izany teto Toamasina I. iray nahazo ny “grand officier” nandritra izany, telo no notolorana ny “commandeur”, dimy ireo nahazo ny “officier de l’ordre nationale”, ary iraikambin’ny folo no nahazo ny “chevalier de l’ordre nationale”; izany hoe niisa 20 no nahazo izany mari-boninahitra izany. Nambaran’ny lehiben’ny mari-bonihatitra Toamasina fa tao anatin’ny roa taona, taona 2019 – 2023, izay dia tsy nisy nivoaka ny didim-panjakana hahazoan’ny olona mari-boninahitra, ka izay no antony nahavitsy ireo notolorana izany tamin’ity taona ity. Hatramin’izay raha teo amin’ny araben’ny fahaleovantena no nanaovana ny fizarana mari-boninahitra, dia natao tao amin’ny lapan’ny governora izany noho ny tahotry ny fiavian’ny orana. Niatrika izao fizarana mari-boninahitra izao ny prefen’i Toamasina sy ny governoran’ny faritra atsinanana, izay niarahaba ireto nahazo ny mari-boninahitra ireto.

Malala Didier

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici