- Publicité -
dimanche, juin 15, 2025
AccueilFaits-DiversFaritra atsinanana : Atao anio ny famidram-pitantanana ny governora sy ny lehiben’ny...

Faritra atsinanana : Atao anio ny famidram-pitantanana ny governora sy ny lehiben’ny faritra

Ny talata 17 marsa maraina teo no tonga tao Ambalamanasy nanaovana fitsenana manokana ny governoran’ny faritra atsinanana, Atoa Rafidison Théodore Richard. Taorian’izay dia nisy ny fandraisana azy niavaka tao amin’ny lapan’ny faritra Atsinanana nataon’ireo tomponandraiki-panjakana sy ireo tsy miankina samihafa; izay nanaovany kabary fa lohalaharana aminy ny resaka fampandrosoana ny faritra ara-toekarena, indrindra ny lafiny fambolena sy ny fanamboaran-dalana samihafa, ankoatra ireo toerana hivarotana izany vokatra izany. Tsy adinoina koa anefa fa laharam-pahemehana ho an’ny governoran’ny faritra atsinanana koa ny resaka fandriampahalemana izay hisian’ny fihaonana manokana ny zoma izao eo amin’ny Emmo rehetra sy ny Omc, mitatra ihany koa. Ankoatra izay, raha ny fandaharam-potoanam-panjakana, dia anio no hatao ny famindram-pitantanana eo amin’ny governora vaovao sy ny lehiben’ny faritra mpisolo toerana, izay hatao ao amin’ny lapan’ny faritra Atsinanana. Aorian’izay ny fametrahana ny governora ofisialy eo amin’ny araben’ny fahaleovan-tena. Tokony hiatrika ity lanonana ity ny minisitry ny mponina, Rtoa Naharimamy Irmah Lucien, amin’ny maha-mpitarika ny antokom-panjakana azy ao Toamasina sy amin’ny maha-iray fiaviana azy ireo avy ao Mahanoro, fa tsy afaka, noho ny minisitra mbola natoka-monina ao Antananarivo noho izy vao tonga avy any ivelany namita iraka, araka ny fepetra noraisin’ny fanjakana malagasy amin’ny fampitokana-monina ireo olona vao tonga avy any andafy rehetra miditra ny sisin-tany noho ny tahotra ny valan’aretina coronavirus.
Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici