Ny zoma maraina teo tamin’ny 09ora no nanomboka ny fivoroana teo anivon’ny faritra atsinanana, amin’ny famolavolana ny drafitrasam-paritra ny taona 2020 hatramin’ny taona 2023. Ny kabinetra “Conforme” no voafidy ny faritra handrindra sy hanao ny fakan-kevitra amin’ny mpisehatra rehetra ao anatin’izany drafitrasam-paritra atsinanana izany. Nambaran’ny governoram-paritra atsinanana Atoa Rafidison Richard Théodore, fa zava-dehibe amin’ny faritra atsinanana ny manana ity drafitrasa ity, satria ilaina amin’ny fampandrosoa ireo kaominina 90 ankoatra ny kaominina ambonivohitry Toamasina, ary ireo distrika 07 misy ao anatin’ny faritra atsinanana. Nambaran’ny governora hatrany fa drafitrasam-paritra atsinanana 03 izao no fantany tato ho ato, saingy tsy hita loatra ny fampandrosoa nentiny ho an’ny faritra atsinanana; ka izay no anton’izao atrikasa fohy entina hanamboarana ny drafitrasam-paritra atsinanana izao. Ho an’ny kabinetra “Conforme” manao izao fanamboarana ny drafitrasa fampandrosoana ny faritra atsinanana izao, dia ilaina ny maka lesona amin’ireo drafitrasa efa nisy teo aloha, eo koa ny drafitrasam-panjakana, ny drafitrasan’ny filoham-pirenena, ary ireo drafitrasa iraisam-pirenena toy ny ODD. Nisy ny ady hevitra nifanaovan’ireo mpandray anjara tamin’izao atrikasa fohy tao amin’ny lapan’ny faritra izao, ka nandraisan’ireo talem-paritra samy hafa sy ireo olom-boafidy, ka nafana ny ady hevitra nandritra izany. Milaza ny mbola andalo amin’ireo talem-paritra samy hafa hamaritana marina ny fandaharan’asan’izy ireo ny kabinetra “conforme”, mba tena ho matotra ny drafitrasam-pampandrosoa ho an’ny faritra atsinanana ho volavolaina ankehitriny izao.
Malala Didier