- Publicité -
mardi, mai 13, 2025
AccueilFaits-DiversFaritra Atsinanana : Hanomboka ny volana jolay ny fanamboaran-dalana

Faritra Atsinanana : Hanomboka ny volana jolay ny fanamboaran-dalana

Raha ny nambaran’ny governoran’ny faritra Atsinanana, Atoa Rafidison Richard, tamin’ny  lahateniny nataony ny sabotsy teo, dia hanomboka ny volana jolay ho avy io ny fampandrosoana ny faritra Atsinanana, na eo aza ny mbola ady ataontsika amin’ny « coronavius » ity mandritra izany. Tsy hisy hohadinoina distrika 07 ao anatin’ny faritra Atsinanana mandritra izany, ka na ireo distrika lavitra indrindra toy ny ao Marolambo sy Antanambao Manampontsy aza dia samy hahazo ny anjara fandrosoany avokoa indrindra amin’ny fanamboaran-dalana, na iray kilometatra aza. Nisy ny famolavolana ny « Plan de Développement Régional » nandritra izany, izay natao hifanindran-dalana tamin’ny « Plan IEM 2020 – 2023 » ihany koa. Maro ireo asa hatao ato anatin’ny faritra Atsinanana mandritra ity enim-bolana farany amin’ny taona ity. Eo ny fahavitan-dalana 10km isam-paritra mandritra izany, ka raha ho an’ny faritra Atsinanana manokana dia anamboarana 01km avy ireo distrika lavitra rehetra. Eo koa ny fanatsarana ireo distrika rehetra ato anatin’ny faritra, hoy ny governoran’Atsinanana, ka isan’izany ny ao Mahanoro, Vatomandry, Brickaville, Toamasina I sy…Toamasina II. Ankoatra izay dia hisy koa ny fametrahana andrin-jiro mandeha amin’ny masoandro isak’ireo distrika hanamboaran-dalana ireo ihany koa, mba hahafahan’ireo mponina manana hazavana any aminy. Nanome toky moa ny governora, araka ny toromariky ny filoham-pirenena malagasy, fa tsy maintsy vita alohan’ny fetin’ny maty ho avy izao ny fanamboaran-dalana rehetra mikasika izao fanamboarana hatao isam-paritra izao.

Malala Didier

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici