- Publicité SW45 -
mercredi, décembre 11, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversFaritra Atsinanana : Kaominina 14  vaovao nisitraka ny  tetikasa "RINDRA"

Faritra Atsinanana : Kaominina 14  vaovao nisitraka ny  tetikasa « RINDRA »

Niampy 14  ireo kaominina nisitraka ny tetikasa « RINDRA » ho an’ny faritra Atsinanana amin’ izao andiany faharoa izao raha efa nisy dimy izany teo aloha.  Raha tsiahivina dia tetikasa entina hampandrosoana sy ho tantsoroka ho an’ny fampiofanana sy fizarana traikefa mba hisian’ny fitantanana mirindra sy mamaly ny filàm-bahoaka ny  « RINDRA  » izay vatsian’ny vahoaka Amerikanina vola  amin’ny alalan’ny sampandraharaha misahana ny fampandrosoana iraisam-pirenena « USAID » raha  toa ka ny Fandaharanasan’ny firenena Mikambana ho an’ny fampandrosoana (PNUD )kosa no manatanteraka ny asa sy fidinana eny ifotony mifampihaona mivantana amin’ ireo ben’ny tanana sy mpitantam-bolan’ny kaominina ary ireo fitaleavam-paritra isan-tsokanjiny anivon’ny faritra. 

Mpisitraka

Ho an’ny faritra Atsinanana izay hatrany dia mitsinjara avy amin’ny disitrika telo ireo kaominina ireo dia ny Toamasina faharoa manana kaominina miisa telo dia ny Andodabe, Ampasibe Onibe ary Ampasimandinika Manombolo, ny disitrikan’ i Brickaville, izay manana kaominina miisa telo ihany koa dia ny Vohitranivona, Mahatsara ary kaominina Brickaville tanàna, raha
nahazo kaominina miisa dimy kosa ny tao amin’ny disitrikan’ i Vatomandry dia ny tao Niarovana Caroline, Tsarasambo,  Sahamatevina , Ilaka Atsinanana sy Vatomandry renivohitra. Nandritra ny atrikasa intelo niatoana tao Toamasina, Vatomandry ary ny tao Manambato ho an’ny faritra Atsinanana dia nazava ny fampahafantarana ny antom-pisian’ny tetikasa teo amin’ny
fitarihan’ny mpandrindram-paritry ny PNUD  Madagasikara, ,Paulos Raselsony. 

Tombotsoa

Hanome tantsoroka ny kaominina mba hafahan’ny vahoakany hisitraka zo maha olona azy ny tetikasa « RINDRA ». Anisan’ izany ny fisitrahana fitsarana tsy mitanila afaka manome sehatra ny sokanjin’ olona marefo sy heverina ho hanjorom-bala mba hisitraka asam-panjakana ara-drariny. Amin’ izay raharaham-pitsarana izay hatrany dia nambaran’ Andriamatoa, mpandrindram-paritra hatrany fa hapetraka fanamorana ny fomba fahazahoam-baovao momban’ny fitsarana sy fanamaivanana ny fomba eo amin’ny dingana rehetra. Raha eo amin’ny fitantanana kosa dia tanjona ny hampitomboina  ny vola miditra eo anivon’ny kaominina miisa 100 anatin’ny faritra dimy eto Madagasikara mba hanatsarana ny enti-manana ny fampandrosoana eny ifotony. Tsy izay ihany fa manana andraikitra ihany koa ny tetikasa hamolavola lamin’asam-piofanana mba hisitrahan’ny ireo tompon’ andraikitry ny kaominina fahaiza-manao azo hampiharina avy hatrany  amin’ny sehatry ny
fitantanana sy fampidiram-bola. Ny vokatra andrasana dia ny mba hahafahan’ny kaominina hampiditra vola amin’ny alalan’ny hetra sy fitantanana mitodika amin’ny fisitrahan’ny vahoaka tamberin’ andraikitra ary koa ny mba hahafahany  mandoa karaman’ny mpiasa ao aminy sy demokrasia.


Fampandrosoana

Anisan’ny nampiavaka ny faritra Atsinanana ny fahatongavan’ ireo mpitandro ny filaminana nanatrika ny atrikasa.  Ireto farany izay nanamafy teo amin’ny fandraisam-pitenenan’ izy ireo fa tsy hisy fitantanana sy fampandrosoana mirindra raha tsy misy ny fandriampahalemana. Nilaza kosa ireo lehiben’ny farim-piadidiam-pampianarana fa ny  fanabeazana sy ny fampianarana no antoky ny fampandrosoana. Raha tiana ny handroso dia ny fanabeazana ireo tanora malagasy  no tokony hatao vaindohan-draharaha. Mila asiana fanatsarana ny lafiny fotodrafitrasa momban’ny fanabeazana mba hazahoana olona hiomana ho eo amin’ny fitantanan-draharahan’ny
kaominina. Akilany,  takian’ izany rehetra izany ihany koa ny lafiny fahasalamam-bahoaka.  Raha tsorina dia anisan’ny tanjon’ny tetikasa ihany koa ny hisian’ny fanabeazana ny olom-pirenena sy ny fandraisana anjaran’ny tanora eo amin’ny asam-pokonolona eo anivon’ny sekoly maherin’ny 200 ao anatin’ny distrika 20 manerana ny nosy.

Narindra Rakotobe 

- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici