- Publicité -
jeudi, mai 15, 2025
AccueilFaits-DiversFaritra Atsinanana : Mirongatra ny vola sandoka, an-tapitrisany maro no sarona

Faritra Atsinanana : Mirongatra ny vola sandoka, an-tapitrisany maro no sarona

volaTsy eto an-drenivohitra ihany no manao ny atao ireo mpisoloky sy mpanao vola sandoka fa na hatrany amin’ny faritra aza. Tato anatin’ny herinandro izay dia tsapa fa mirongatra tanteraka ny vola sandoka, indrindra fa any amin’iny tapany Atsinanan’ny Nosy iny. Raha tsy hiteny fotsiny afa-tsy ilay tranga niseho tany Mananjary ny herinandro nivalona teo iny, izay nisiana telolahy nitondra vola sandoka mitentina efatra tapitrisa ariary mahery teo ho eo. Araka ny fantatra dia efa ela no nikarohana ireto olona ireto, satria, araka ny vaovao tokoa mantsy dia misy andian’olona miezaka manaparitaka vola sandoka dimy arivo ariary sy iray alina tany an-toerana. Tamin’ny alalan’ny fanomezam-baovao no nahafahan’ny zandary nisambotra ireto olon-dratsy ireto. Rehefa nofitahina fa hisy olona handray izay vola sandoka rehetra any amin’izy ireo any. Natolotra ny Fampanoavana avy hatrany moa izy telolahy ireto. Tsy nijanona hatreo fa mbola mitohy ny fanadihadiana satria dia fantatra fa mbola misy naman’izy ireo miriaria any. Ny voalohandohan’ny herinandro lasa teo, tao an-drenivohitr’i Betsimisaraka tao, nisy roalahy ihany koa voasambotra, raha saika hanaparitaka vola sandoka tao amina toeram-pandihizana iray. Teo am-pandoavana ny lanin’izy ireo tao amin’ity toerana ity mihitsy ireto roalahy ireto no voamariky ny tompon’andraikitra fa vola sandoka no nandoavan’izy ireo izany. Nosamborina avy hatrany izy ireo ary nomena hohadiahadian’ny mpitandro filaminana.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici