- Publicité -
dimanche, juillet 6, 2025
AccueilFaits-DiversFaritra atsinanana : Natao omaly ny fakan-kevitra farany momba ny Drafitr’asa fampandrosoany

Faritra atsinanana : Natao omaly ny fakan-kevitra farany momba ny Drafitr’asa fampandrosoany

Nosafidian’ny kabinetra « Conforme » ny andron’ny omaly nentiny namaranana ny fandrafetana ny drafi-pampadrosoana (PRD) ho an’ny faritra atsinanana, satria ny 15 novambra ho avy izao dia tsy maintsy voarafitra ara-dalana sy eo am-pelan-tanan’ny faritra ity PRD ity. Raha ny fanazavan’ny kabinetra « conforme » manao izany dia natao mifanaraka amin’ny drafitr’asa fampandrosoan’ny fanjakana na PEM sy ny drafitrasa iraisam-pirenenan’ny firenena mikambana na ODD ity drafitr’asa fampandrosoan’ny faritra atsinanana ity. Tao anatin’izay telo volana nanaovana ity drafitr’asa ity izao, sy ny fitsidihana ireo distrika 07 niaraka tamin’ireo kaominina 92 miisy ato anatin’ny faritra atsinanana, dia nandray anjara mavitrika tamin’izany avokoa ireo vondrom-bahoaka ifotony ireo; ka tamin’izany no nivoahan’ireo fehin-kevitra maro samy hafa. Isan’izany ny mikasika ny faharatsian’ny lalana, ny tsy fisian’ny masomboly ara-dalana, ny fahamaroan’ny kolontsaina samy hafa, ary mikasika ny raharaham-panjakana rehetra. Voalaza koa ny olana ka isan’izany ny lalana, ny barazy, ny fambolena, ny olana ara-tany izay ohatra misongadina ny eto Toamasina tampon-tanana satria ny 70% ny tany dia tsy voasoratra ara-dalana amin’ny fanjakana sy ny tompony avokoa (titré et borné), ny fisintahana sy fialana ny tontolo ambanivohitra amin’ireo tanora,…ary ny fampidirana rano fisotro madio isan-tanana ho an’ny mponina. Nandray anjara tamin’izao drafitr’asa fampandrosoana ny faritra izao ny governora, sy ireo mpiara-mpiasa aminy ary ireo fiaramonim-pirenena teto Toamasina.

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici