Fandrasaina mahafa-po! Isan’ny mandray anjara mivantana amin’ny fampandrosoana any amin’iny faritra Atsinanana iny ny nisian’ny hôtely lehibe iray, tsy lavitra ny seranam-piaramanidina ao Toamasina ao. Hatramin’ny fotoana nanangana azy ka hatramin’izao roa taona niorenany izao dia tsy mitsahatra manome tosika sy aina vao ho amin’ny toekarena sy fampandrosoana ny Splendide Hotel, indrindra fa amin’ny alalan’ny fijerena ny lafiny maha-olona sy ny sosialim-bahoaka, araka ny fanazavàna azo avy amin’ny Filoha tale jeneraliny, Atoa Djianfary Moïse. An-jatony ny asa niforona tamin’ny fotoana nanorenana azy fotsiny. Mbola mitohy izany ankehitriny amin’ny alalan’ireo asa mivantana sy tsy mivantana amin’ny fanodinana ity trano fandraisam-bahiny miavaka amin’ny rehetra ity. « Isan’ny mampiavaka anay ihany koa ny fikarakarakanay manokana ireo mpanjifa tonga ato aminay, na olon-tsotra io na olona ambony. Na hatramin’ny zavatra bitika indrindra aza. Izany dia mba hoentina manome fahafaham-po ireo mpanjifanay hatrany ». Marihana fa efa tompon’andraiki-panjakana maromaro no efa nivahiny tao amin’ny Splendide Hôtel hatramin’izay niorenany izay, ary efa nandray lanonana maromaro ihany koa. Ahitàna efitra 22 mihaja sy manaraka ny fenitra takiana amin’izany ao amin’ity hôtely ity. Ny fialam-boly isan-karazany tsy hadino. Mety na ho an’ireo fianakaviana miala sasatra, na ho an’ireo mpifankatia te handany ny volan-tanteliny, na olon-tsotra te hitady ny tonga lafatra. Afaka mandray fivoriana na fety aman-danonana isan-karazany ihany koa ny Splendide Hotel, araka ny fantatra hatrany.
m.L