Miverina mirongatra indray ny asan-dahalo aty amin’ny distrikan’i Maevatanàna, ato anatin’ny faritra Betsiboka, am-polony ny omby lasan’ny dahalo isaky ny misy fanafihana ato amin’ity distrika ity. Na dia eo aza ny ezaka ataon’ny fanjakana amin’izao fotoana, dia tsapa ho sahirana ireo mpitandro ny filaminana aty an-toerana, noho ny tsy fahampian’ny olona sy fitaovana hoentina hamongorana ny asan-dahalo. Anisan’ny tena olana ihany koa ny faharatsian’ny làlana; izay misy any amin’ireo kaominina ambanivohitra, ka manjaka tokana ihany koa ireo malaso amin’ity asan-dahalo sy fanafihana ity. Ny Alakamisy 20 Aogositra lasa teo izao, dia omby folo no lasan’ny dahalo, tany amin’ny kaominina ambanivohitra Bemokotra. Araka ny vaovao voaranay hatramin’ny fotoana nanoratanay ny lahatsoratra, dia mbola eo am-pelatanan’ireo jiolahy ny omby halatra. Marihana moa nisy olona iray nataon’izy ireo takalonaina, saingy efa votsotra, tsy nisy ihany koa ny naratra na namoy ny ainy nandritra ny fanafihana niseho tao amin’io toerana volaza etsy ambony io. Mitohy hatrany ny fanenjehana ataon’ny mpitandro ny filaminana sy ny fokonolona amin’izao fotoana izao.
Ratantely