- Publicité -
vendredi, juillet 4, 2025
AccueilFaits-DiversFaritra Bongolava : Misokatra ny taona fambolem-bary

Faritra Bongolava : Misokatra ny taona fambolem-bary

Ankoatry ny resaka omby dia fantatra fa isan’ny sompitr’i Gasikara ihany koa amin’ny resaka vary raha ny faritra Bongolava. Ny talata lasa teo no fantatra  notanterahina ara-pomba ofisialy ny lanonana fanokafana ny taom-pambolem-bary 2021-2022 tany any an-toerana. Nosafidiana manokana ny kaominina Ankadinondry Sakay handray izany. Lanonana izay teo ambany fiadidian’ny Jly Ramiaramanana Joseph, Governoran’ny faritra Bongolava. Tonga nanotrona sy nanome voninahitra izany lanonana izany moa ny Ministry ny Fambolena sy ny fiompiana, izay iraka avy amin’ny fitondram-panjakana ihany koa. Isan’ny tafiditra rahateo ao anatin’ny Velirano fahasivin’ny Filoham-pirenena, ny ahafahana mizaka tena ara-tsakafo moa izao fotoana izao. Tetsy andanin’izay nisy ny fanolorana masom-boly, karatra maha-mpamokatra ary fitaovam-pamokara entina hanampiana ireo tantsaha, nandritra ity lanonana ity. Izany no natao, tamin’ny alalan’ny Ministeran’ny Fiompiana sy ny Faritra Bongolava, izay mitarika sy mandrindra ireo asam-pandrosoana eo anivon’ny faritra, dia hahatonga ny seha-pihariana fambolena ho antoky ny fampandrosoana. Satria « Bongolava mandroso no tanjona », araka ny efa napetraky sy ezahan’ny Governora hapetraka hatrany.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici