- Publicité -
lundi, juillet 7, 2025
AccueilFaits-DiversFaritra Bongolava : Taona vaovao, tsy hadinon’ny Governora ireo zokiolona

Faritra Bongolava : Taona vaovao, tsy hadinon’ny Governora ireo zokiolona

Amin’ny tonon-taona toy izao tokoa dia fanaon’ny zanaka ny miarahaba ireo raiamandreny. Tsy hadinon’Atoa Governoran’ny faritra Bongolava, ny Jly Ramiaramanana Joseph, araka izany ny niarahaba ireo zokiolona,  tao amin’ny faritra iadidiany. Nisongadina manokana izany tamin’ny fitsidihany ny trano foiben’ny zokiolona tao Tsiroanomandidy, renivohitry ny faritra, ny herinandro lasa teo. « Fifaliana ho ahy foana ny fihaonako amin’izy ireo », hoy izy. Fotoana niarahabany manokana ireo beatintra, nitafatafany tamin’izy ireo ary indrindra ny fangatahana tso-drano, izay zava-mahery indrindra eo amintsika Malagasy, ahafahana manatontosa antsakany sy andavany ny adidy sy andraikitra miandry azy : ny fampandrosoana ny faritra Bongolava. Tsy hadinony toraka izay ihany koa ny nanolotra fanomezana ho an’ireto zoky raiamandreny ireto, solombodiakoho, izay fanomezan’ny zanaka ho an’ny raiamandreny. Tetsy andanin’izay moa, nilaza ireto zokiolona ireto fa afa-po tanteraka tamin’ny fitantanan’Atoa Governora ary nanome tso-drano azy. Tsapa ho nitondra fiovàna sy fampandrosoana tokoa raha ny tenany, hoy izy ireo niray feo, ary hita taratra amin’ireo fiovàna lehibe, na eo an-tampon-tanana na amin’ireo kaominina sy distrika roa mandrafitra ny faritra izany. Ny resaka tsy fandriam-pahalemana, izay azo lazaina fa nampikolay ny mponina taty mihitsy, kanefa efa tena milamindamina tokoa amin’izao fotoana izao, noho ity mpitantana ny faritra mahay ity ihany. Tsy nohadinoin’izy ireo moa tetsy andanin’izay ny nisaotra ny fitondram-panjakàna tarihin’ny Filoham-pirenena nanome azy ireo izany Governora izany.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici