- Publicité -
mardi, juillet 15, 2025
AccueilFaits-DiversFaritra Fitovinany Ikongo : Mitohy ny fanaraha-maso ny tazomoka arahina tohana ara-tsosialy

Faritra Fitovinany Ikongo : Mitohy ny fanaraha-maso ny tazomoka arahina tohana ara-tsosialy

Mitohy ny fanaraha-maso ny fivoaran’ny toe-draharaha arahina tohana ara-tsosialy ho an’ny mponina ao ao amin’ireo Kaominina saro-dalana ao Ikongo. Ho an’ny kaominina Ambatofotsy dia   nafainganina ny fizarana karinem-pokontany , mitohy ireo asa iombonana, fanadiovana ny manodidina, sady ahazoana tohana ara-tsosialy. Tokantrano miisa 100 no nomena fehezankarona misy sakafo tohan’aina ,nozaraina CVO ihany koa ireo marefo ara-pahasalamana miisa 152. Ho an’ny kaominina Belemoka  izay atao mandritry ny 3 andro raha miala avy eo amin’ny renivohitry ny Distrika Ikongo dia nisy ny fanentanana amin’ny fanantonana toeram-pitsaboana raha misy tranga mampiahiahy izay iarahana amin’ireo Ampanjaka , nisy ihany koa ny fizarana  CVO ary koa ny fanaovana asa tanamaro manala ny lobolobo manodidina ny toeram-pitsaboana. Raha ny kaominina Maromiandra sy Ambinanitromby dia tokantrano miisa 200 no nomena fehezan-karona misy sakafo tohan’aina sy CVO , ankizy miisa 200 no nomena sakafo mafana tao Maromiandra . Mitohy   ihany koa ny fanentanana isan-karazany atao ho fisorohana ny fihanaky ny aretina tazomoka sy ny ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo. Mitety vohitra ihany koa ireo Brigade mijery ny zava-misy sy manentana isanandro. Mifanome tanana sy miray hina tanteraka ao anatin’izany ireo rantsa-mangaika sivily sy miaramila ary ireo mpiara-miombonantoka isanambaratongany. Arahi-maso isanandro ny toe-pahasalaman’ny mponina izay mbola manaraka fitsaboana maimaimpoana eny amin’ny hopitaly. Efa tonga ao an-toerana ihany koa ireo tohana ara-tsakafo avy amin’ny fiadidiana ny Repoblika.

Narindra Rakotobe

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici