- Publicité -
mercredi, mai 14, 2025
AccueilFaits-DiversFaritra Ihorombe : Asan-dahalo, mandravarava ny tariky Revato

Faritra Ihorombe : Asan-dahalo, mandravarava ny tariky Revato

Efa tsy dia voaresaka firy intsony tato ho ato izay , ny momba ireo dahalo niova fo. Raha heverin’ny maro fa efa milamina mantsy ny any Atsimon’ny Nosy ity, raha ity trangana dahalo ity, dia ny mifanohitra amin’izay tanteraka no fantatra fa misy any an-toerana.Raha ny voalazan’ny loharanom-baovao, mponina any amin’iny faritra iny. Mandravarava any an-toerana, ary velon-taraina sy tsy manan-katenaina intsony ireo mponina, ny amin’ny afitsok’ireo dahalo. Izany Revato izany indray mantsy no fantatra fa lehiben’ny dahalo, mampihorohoro any an-toerana, indrindra fa any amin’iny faritra Ihorombe iny. Saika isan’andro dia andrenesana fanafihan-dahalo any an-toerana, indrindra fa amin’ny distrikan’i Iakora sy Betroka. Raha ny nambaran’ity loharanom-baovao ity dia fantatra tsara mihitsy ireo toerana fitobian’ireto malaso, izay manao andiany aman-jatony ireto, toy izany ao amin’ny tanan’i Manongaroa, any amin’izany faritra Andriry : Andranomanga, Betsipoy, Taperapia, Ambarovakinandy, Bekinagna, izay samy ao amin’ny kaominina Tsaraitso, distrika Betroka. Miraviravy tànana tanteraka ireo mponina any amin’ireo faritra ireo, izay mba te hivoatra sy hamokatra ihany. Toerana lavitra andriana tokoa, raha ny voalazan’ity loharanom-baovao ity hatrany, hany ka ireo dahalo no manjaka. Manampy trotraka izany ny tsy fisian’ny foto-drafitrasa any amin’iny faritra iny, raha ny fantatra hatrany.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser