- Publicité SW45 -
mercredi, juin 26, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversFaritra Itasy : Hofanina mamboatra sy mametaka pavé ny tanora

Faritra Itasy : Hofanina mamboatra sy mametaka pavé ny tanora

Natomboka ny 28 janoary 2021 teo ny fanofanana amin’ny fanamboarana pavé sy fametahana izany eny amin’ny lalana. Tetikasa iarahan’ny governoran’ny faritra Ittasy sy ny fitaleavam-paritry ny Fampianarana tekinika sy Fanofanana araka asa (DRETFP) ity fanofanana ity, ka maimaim-poana ny fanarahana izany. Ny tanjona dia  hanatanterahana ny velirano faha-4 sy faha-11 nataon’ny Filoham-pirenena, Andry Rajoelina. Kendrena amin’izany ny fampitomboana ny fahaiza-manaon’izy ireo hahafahany miroso amin’ny sehatr’asa sy mandray andraikitra amin’ny fampandrosoana eny ifotony.  Rehefa vita ny fiofanana dia havondrona ao anaty fikambanana izy ireo ary omena toerana hotrandrahany, ka afaka mamatsy pavé an’ireo orinasa manamboatra lalana aty amin’ny faritra, na hiara-miasa amin’ny kaominina misy azy amin’ny fanamboarana pavé ny lalana araka izay hifanarahany. Afaka ihany koa miara-miasa amin’ny faritra, ka HIMO no endrik’izany. Tsy maintsy hanara-penitra ny fotodrafitrasa ka ny faritra no manao ny « terrassement » ny lalana hatao pave sy ny « compactage » rehefa tafapetraka izany ary manara-maso mitohy ny fanatanterahana ny asa. Hitohy mandavan-taona ny fanofanana izay hitatra amin’ny fandraisana ireo voafonja ao aoriana kely ao mba hanamorana ny fiverenan’izy ireo eny amin’ny fiaraha-monina rehefa vita ny saziny.

Nangonin’i T.M.

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité.-
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici